Hisy ny tombana ho an’ny governora rehetra, manerana ny Nosy, mialoha ny fifidianana depiote . Aorian’izay, hisy ny tafaverina, hisy ny tsy maintsy handao ny toerany. Mananontanona ny fanesorana amin’ny sezany ireo governora ho an’ny faritra sasany amin’izao fotoana izao. Hadinina tsirairay sy hotsarain’ny filohan’ny Repoblika izy ireo, mialoha ny hanatanterahana ny […]
Taratra
TSELATRA
Saron’ny polisy ao Antsiranana afakomaly ireo jiolahy telo ao anatina fikambanan-jiolahy mahery vaika. Mpikambana ao amin’ny vondrona tanora atao hoe Dakar ao amin’ny fokontany Ambalavola ry zalahy ireto. Mampihorohoro ireo tanora ao amin’io fokontany io. Vehivavy iray hita faty teny Ambodivonkely Ambohimanarina, omaly maraina. Ahina ho nisy nanolana izy satria […]
Nitondra sokatra: vazaha iray voasambotra
Teratany vahiny iray handray ny zotram-piaramanidina hihazo an’Antananarivo no voasambotry ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany ao Toliara, omaly. Nahatrarana zana-tsokatra enina tao anatin’ny valiziny nandritra ny fisavana. Nambaran’ny tatitra voaray avy amin’ny polisy fa teo am-pidirana ny seranana izy dia somary nampiahiahy ny fihetsiny. Mailomailo sady kaodikaody ihany […]
Avy namaky trano: jiolahy iray tratran’ny fitsaram-bahoaka
Tratran’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray namaky trano teny Andohaniato Ambohipo, afakomaly. Efa saika namoy ny ainy mihitsy izy noho ny hatezeran’ny olona raha tsy tonga haingana ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2). Raha ny fanazavan’ny fokonolona, araka ny tatitra nampitain’ny polisy, niditra tao amina efitrano fandraisam-bahiny iray ity jiolahy ity tamin’ny […]
Voaolana : ankizivavy nihosin-dra tao anaty ala
Nitrangana fanolanana ankizivavy tao amin’ny fokontany Tanambao Nosy Be, kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, distrikan’i Toamasina II, afakomaly. Raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena, naheno ankizy mitomany sady mitaraina tao anaty kirihitr’ala ny olona sendra nandalo ka niantso azy ireo. Voamarina ny fisian’ilay ankizy. Zaza efa mihosin-dra no tazan’ny zandary sy […]




