Taratra

Bateria nipoaka : Zaza 10 taona maty kilan’ny afo

Zava-doza no nanjo ireto mpiompy akoho, tao Ambohimiarivo, omaly. Nirehitra ny gorodona, nahazo ny bateria mpamatsy angovo tao an-trano ka nipoaka. Maty tsy tra-drano ny zaza 10 taona. Nitrangana haintrano namoizana ain’olona tao Ambohimiarivo, distrikan’Antsirabe II, omaly. Trano fonenana sady fiompiana akoho fakana nofo no tra-doza sy nirehitra. Vokany, maty tsy tra-drano ny […]

Petanky Be Analamanga: lasan’ny fokontany Ambohitsoa ny Scooter

Fahombiazana ny Petanky Be Analamanga, nokaraka­rain’ny ligy, notanterahina ny sabotsy sy alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ivato. Fihaonana nifanandrinan’ireo fokontany eto an-dRenivo­hitra. Voalohany ny fokontany Ambohitsoa, nisy an’i Jean-Chrysostome sy Solotiana ary i Jimmy. Lasan-dry zalahy ny moto scooter sy ny solosaina ho an’ny fokontany ary finday avy amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nihintsana teo amin’ny dingana faharoan’ny lalao an’olon-tokana avokoa ireo Malagasy mpilalao tenisy miatrika ny Fifaninanana Afrikanina hatao any Accra Ghana. Tsara marihina fa mbola misy lalao iraisan’olon-droa ho an’ny sokajy lahy sy vavy izay hataon’izy ireo. Tsiahivina fa izay firenena efatra voalohany ihany no manao ny « par équipe ». Mitsahatra kely […]

Hanatsarana ny volley-ball : hifandinika ireo teknisiana

Mitohy hatrany ny fitadiavana vahaolana sy paikady hana­tsarana ny taranja volley-ball, ataon’ny federasiona malagasy. Taorian’ny jery todika natao mahakasika ny fandraisan’i Mada­gasikara ny “CCZone7” farany teo, hisy ny fampihaonana ireo Malagasy teknisiana. Andro iray atokana ho an’ny mpitan­tana, mpanazatra, mpikatroka, hifandinihana izay tokony ha­na­tsarana ity taranja ity. Ny sabotsy 23 […]

Lalao ara-pirahalahiana: mpitsara maorisianina avokoa no hitantana ny lalao

Ireo mpitsara avy amin’ny Nosy rahavavy, Maurice, no hiandraikitra ny fihaonana rehetra hatao etsy Mahamasina, mandritra ny lalao ara-pirahalahiana karakarain’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Afaka telo andro sisa, hiatrika lalao ara-piraha­lahiana izay tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” ny ekipa nasionaly malagasy. Araka ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny federasiona malaga­sin’ny baolina […]