Natomboka tamin’ny fomba ofisialy tetsy Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo, ny tetikasa “elatra” sy “tantsoroka”. Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Affaire mondiale Canada ny fondation Aga Khan, ka antony nahafahana nanao izany. Hahazo tombontsoa mivantana amin’izany ireo vehivavy sy zatovovavy miisa 170 niharan’ny herisetra amin’ ny lafiny rehetra. 150 avy amin’ […]
Taratra
Rosia : nanara-maso ny fifidianana ny Ceni
Nandray anjara tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena momba ny fifidianana masi-mandidy, fototry ny fiandrianana, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, ny Ceni. Natao tany Moscou, Rosia, ny herinandro teo, izany ka anisan’ny solontena ny mpampakateny, i Soava Andriamarotafika sy ny tonia mpanatanteraka, Rakotondrasoa Ntseheno. Nisongadina fa iray amin’ny endrika anehoan’ny Rosiana mpifidy ny maha […]
Praiministra Ntsay Christian: « Mijoro ny Tafika Malagasy matoa milamina ny firenena»
Nahitsy ny hafatra nomen’ny Praiminisitra (PM) lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ho an’ny Tafika Malagasy, omaly. « Samy tompon’andraikitra isika fa ny sehatra no samihafa », hoy izy. Nikatona tamin’ny fomba ofisialy, omaly hariva, ny fivoriana niarahan’ ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Tafika Malagasy, teny amin’ny Cercle Mess Soanierana. Naharitra roa andro ny […]
INDRAY MIJERY
Notokanana, ny herinandro teo, ny efitrano fandidiana voatokana ho an’ny maso ao amin’ny CHU Anosiala. Hanampy betsaka amin’ny fitsaboana maso ao amin’ny hopitaly ny fotodrafitrasa, indrindra ny fandidiana ny areti-maso katarakta. Niarahana tamin’ny Korea University Médecine sy ny ONG Well International ny fanamboarana izany. Hisy ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana hataon’ny CHU […]
Tetikasa Produir: mitohy ny fanangonana boky
Nahitam-bokany ny antso avo nataon’ny tetikasa « Produir » amin’ny hanangonana boky ho an’ireo trano famakiam-boky eto Antananarivo. Nahafahana nanangona boky sy fitaovana hafa miisa 1 500 ny fanentanana natao. Tsy mbola ampy hamenoana ireo trano famakiam-boky eny amin’ny fokontany iasana anefa ireo. Miisa 5 ny fokontany hovatsiana boky ka ny 4 amin’ireo […]




