Kolontsaina sady zavakanto anisan’ny nahitana fivelarana lehibe ny kabary malagasy. Iray amin’ireo manamarina izany ny nametrahana andro iray isan-taona ho an’ ity lahabolana am-bava ity. Notanterahina, omaly, teto Antananarivo ny hetsika ho fanamarihana ny tsingerintaona voalohany nampidirana ny kabary malagasy ho harem-bakoka tsy azo tsapain-tanana iraisan’ny zanak’olombelona. Fotoana (taona 2022) […]
Taratra
Nampiahiahy… : Ankizy tsy ampy taona tratra nitazona basy
Tratran’ny polisy tao Ihosy Andrefantsena, afakomaly noho ny fihazonana basy vita gasy ireo roa lahy (tsy ampy taona ny iray). Toy ny fanaon’ny polisin’Ihosy, manatanteraka fisafoana mahazatra izy ireo ka tamin’izany no nahatsikaritra ireo olon-dratsy ireo. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no nahasamborana azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Somary […]
Dahalo ampolony nanafika: maty voatifitra ny tompon’omby
Maty vokatry ny fanarahan-dia natao tamina dahalo mpangalatr’omby , ny olon-tsotra iray tao Ambodihady, fokontany Ambodiamontana, kaominina Ambovombe centre, distrika Manandriana, ny 14 janoary teo. Tamin’ny 11 ora alina, raikitra ny savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona rehefa lasan’ireo olon-dratsy ny omby valo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo maherin’ny folo. Vokany, […]
Ambohidratrimo : zazavavikely fito taona natsingevan’ny rano
Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray sahabo ho eo amin’ny fito taona eo no hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony teo amoron’ny fefiloha ao amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, tsikaritr’ireo fokonolona teny amin’ny manodidina ilay ankizivavikely efa tsy nisy aina intsony. Navoaka vonjimaika izy, nampandrenesina […]
Fizahatany : lafo ny fitaterana miditra eto Madagasikara
Tsy nahasarika mpizahatany firy i Madagasikara tamin’ny 2022, roa taona taorian’ny fikatonan’ny sisintany. 106 000 mpizahatany ihany no niditra teo Madagasikara ny janoary hatramin’ny novambra 2022, araka ny tarehimarika navoakan’ny minisitera misahana ny Fizahantany. Nihena telo latsaka izany raha jerena ny antontanisa talohan’ny Covid-19, tamin’ny 2019. Na eo aza ireo […]