Nandray ireo mpianatra ho injeniera ao amin’ny sampana Taotrano sy Asa vaventy eny amin’ny sekoly ambony Politeknika Vontovorona ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja, omaly. Anisan’ny nangatahan’ireto mpianatra taona fahaefatra ireto tamin’ny minisitra ny ho mpiahy ny andiany faha-51. Miisa 90.000 ny fototra kafe antitra notapahana mba […]
Taratra
Tsy fahampian’ny tetibola: hisy ny hetra ara-tontolo iainana
Anisan’ny ady hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny fanatsarana ny tontolo iainana. Tsy ampy anefa ny hoenti-manana sy ny tetibola hanatanterahana ireo paikady samihafa mifandraika amin’izany. Vahaolana raisin’ny fanjakana hiarovana ny tontolo iainana sy ho an’io tsy fahampian’ny tetibola io ny hametrahana ny hetra ara-tontolo iainana. Efa nisy ny fakan-kevitra natao […]
Tsy hoe ” kely veta”
Anisan’ny depatemanta iray, andrin’ny firenena ny eo anivon’ny fanabeazana. Anisan’ny minisitera mahabe resaka indrindra ihany koa anefa ny fomba fiasany amin’ izao fotoana izao. Asa noho izy manakaiky vahoaka sy mahakasika mivantana ny ankizy sy ny zatovo? Teboka iray mbola ifandrirotana ny mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, Lohahevitra tsy azo […]
Herinandro maneran-tany ho an’ny vola: mila mianatra mitantam-bola ny tanora malagasy
Fahombiazana amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena ny fahaiza-mitantam-bola. Hampahafantatra mahakasika ny tontolon’ny fitantanam-bola ny Global money week. Tafiditra ao anatin’ny herinandro maneran-tany ho an’ny vola (Global money week) isika izao. Hetsika karakarain’ny OCDE, ankalazaina amina firenena 176 maneran-tany. Mandray anjara amin’izany amin’ny alalan’ny fanentanana ny tanora hahay hitantam-bola i Madagasikara. Entina hanamarihana ny […]
TSELATRA
Tratran’ny polisy tao Toamasina, afakomaly ireo roa lahy tompon’antoka tamina halatra moto. Polisy iray nisahana ny fifamoivoizana no nahita lehilahy iray nampiakatra moto tamina cyclo-pousse, ka niroso tamin’ny famotorana avy hatrany. Fantatra tamin’izany fa moto halatra io nentin’izy ireo io. Jiolahy mpamerin-keloka amina halatra moto ireto tratran’ny polisy ireto. Ramatoabe […]




