Taratra

«Ahina ho matin’aretina»: lehilahy hita faty tao an-tanimbary

Hita faty tao an-tanimbary, teny Antsahakely fokontany Vonelina, omaly tolakandro, ny lehilahy iray, izay efa nokarohin’ny fianakaviany andro maromaro. Mbola hita teny am-babeny, tao anaty kitapo, ny entana vao avy novidiany. Raha ny tatitra nampitain’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Itaosy, araka ny fampitam-baovao nomen’ny rain’io lehilahy niharam-boina io : ” […]

Manazary : rangahibe tratra namboly rongony

Noraisim-potsiny ! Voasambotry ny zandary, omaly tao Falimanarivo, kaominina Manazary Miarinarivo, ny rangahibe iray 73 taona tompona sahan-drongony. Nahazo angom-baovao ny zandary momba ny fisian’ity rangahibe ity miaraka amin’ny namany iray 40 taona mpanao trafikana rongony ao amin’ny kaominina Manazary. Nidina ifotony nanao fisafoana ny zandary mpanao fisafoana. Nahitam-bokany izany […]

Nisarahan’ny sakaizany: teratany thaïlandais nananton-tena

Hita faty, nihantona tamin’ny fametahana lambam-baravarana tao an-tranony ny teratany thaïlandais iray. “Ahina ho namono tena noho ny olana ara-pitiavana izy”, hoy ny zandary. Zava-doza! Teratany thaï­landais iray, miasa amin’ny orinasa lehibe ao Toamasina no hita faty tao amin’ny efitranony. Nifatotra tady ny tendany, nihantona tamin’ny hazo fametahana lambam-baravarana izy. […]

Section de recherches Fiadanana: les parents de Andry Andriantongarivo auditionnés puis relâchés

La section de recherches criminelles (SRC) de Fiadanana a confirmé hier, la convocation des parents du détenu Andry Andriantongarivo, les époux Doudou Andriantongarivo et Marie Claire Rasoavololona. D’après les explications du colonel Tahina Ravelomanana, commandant de la SRC, le couple a pu regagner son domicile après avoir été entendu. L’officier […]

Lalao any Ghana : miovaova foana ny fandaharam-potoana

Misavoritaka! Izay no azo anambarana ny fizotran’ny Lalao Afrikanina, tanterahina any Ghana, amin’izao fotoana izao. Tsy mipetraka, araka ny tokony ho izy, ny lamina amin’ny fandaharan-dalao sy ny fifaninanana fa miovaova araka izay hitiavan’ny mpikarakara azy, araka ny tati-baovao avy any an-toerana. Na ny tranokalam-pifandraisana natokana ho an’ny Lalao Afrikanina […]