Taratra

Jly Rakotonirina Richard : “Manana tamberin’andraikitra ny manamboninahitra”

Nanana ny nambarany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, tamin’ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra, omaly. Nisy ny hafatrafatra napetrany tamin’izany. “Manana tambe­rin’andraikitra amin’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena ny manamboninahitra ary tsy natao hiandany na amin’iza na iza. Eo koa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany”, […]

Rugby any ivelany : hijanona ao amin’ny la Rochelle i Jonathan Danty

Amin’izao ratra mahazo an’i Jonathan Danty, mpilalao rugby frantsay, izao dia nanavao indray ny fifanarahana ta­min’ilay klioba La Rochelle Fran­tsa ny tenany. Araka ny vaovao hita omaly, tao anaty tambajotran-tserasera. Mari­hi­na fa efa nisy ny feo nandeha tany an-toerana fa hifindra hi­lalao any amin’ilay klioba iray tao Paris, renivohitr’i Frantsa, […]

Basikety – «Mondial U19» : ho mpifanandrina amin’ny Ankoay ny Bekintana

Firenena goavana maro no efa nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja ba­sikety lalaovina olona dimy, ho an’ny sokajy zandriny U19 lehilahy. Fihaonana hotanerahina any Debrecen Hongrie, ny 24 jona ka hatramin’ny 2 jolay 2023. Fantatra ary izao fa anisan’ireo efa tafita ihany koa ry zareo […]

Fetiben’ny basikety-Tanà Ville: hafana ny fanokafana ny taona 2023

Ho famaranana ny taona 2022 sy ho fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pikatrohana 2023, mikarakara hetsika goavana ny seksionan’ ny Basikety Antananarivo Re­nivohitra (SBBAR). Hetsika hotanterahina rahampitso asabotsy 14 janoary, eny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina. Araka ny fandaharam-potoana, hizara roa mazava tsara ny fotoana, hisy ny lalao miisa 4, ka […]

Kitra – «Chan 2023»: mety halalaka ny lalan’ny Barea, niala an-daharana i Maroc

Araka ny vaovao farany tao anaty tambajotran-tserasera, dia tsy isan’ireo ekipa handray anjara amin’ny « Chan Algérie 2023» i Marôka. Nihena iray izany ny vondrona « C », izay misy an’i Barea de Madagascar sy Ghana ary Soudan. Vaovao iray vao mafana ihany koa no nahalalana fa tsy ho anisan’ireo handray anjara amin’ity andiany […]