Mbola maro mpankafy sy be mpitady ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny, ankehitriny. Anisan’ny mitahiry ny kolontsaina malagasy izy ireny, hoy ny mpanakanto. Mizara roa lehibe ny fahitan’ny mpanakanto mamelona ny hiran’ny omaly sy ny kalon’ny fahiny eto Madagasikara, ankehitriny. Voalohany, zava-dehibe ny soatoavina ao anatin’ny hira. Manana anjara […]
Taratra
FANTINA sy FINTINA
Mbola vao antontan-taratasy telo ihany amin’ ireo mitady toeran’ny minisitra no voaray eny Ambohitsorohitra, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa solontenan’ny kandidà miisa roa tamin’ny fifidianana teo ny sasany amin’ireo, araka ny loharanom-baovao. Mety hatao eo anelanelan’ny marsa sy jona ny fifidianana depiote, araka ny nambaran’ny Ceni, ny mpampakateny, i […]
IFI: “Natao hanompo vahoaka ny minisitra”
“Ny atao hoe minisitra amin’ny teny latinina dia mpanompo. Manompo izany fa tsy hoe tompoina. Mpanompo hanasoa ny vahoaka, mpanompo hiara-miasa amin’ny filoha, mpanompo tena vonona handray anjara…”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (IFI), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, momba ny fandrafetana governemanta. Mahalala […]
Tsy asa vava, fa vava asa
Vita kabary? Andrasana ny vava asa avy hatrany, aorian’ny fitsanganan’ny governemanta vaovao. Fe-potoam-piasana vaovao izao, taona vaovao, fomba fiasa vaovao… Tsy ho tanteraka izany, raha tsy misy ny fiovana sy fanovana ny fomba fijery amin’izay atao: tena miasa, miasa tsara. Mba misy fiantraikany mivantana sy mivaingana ny asa. Ho […]
KMF/Cnoe: “Tsy mazava ny Lalàmpanorenana nanendrena PM”
Naneho ny heviny manoloana ny fomba fanendrena ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nohitsin’izy ireo fa misy manjavozavo ny lalàna momba izany. Tsy mitovy ny fomba fandraisana. “Samy manana ny fahazoany ny And. 54 amin’ny Lalàmpanorenana: ny filohan’ny Repoblika no manendry ny praiminisitra araka ny tolotry ny antoko […]




