Tsy mitsahatra mitontongana ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, tato anatin’ny roa taona. Araka ny tarehimariky ny Tsena iraisam-pirenena ho an’ny harena an-kibon’ny tany any Londres (LME), efa nahatratra 32 000 dolara ny taonina ny faran’ny taona 2022, taorian’ny tranga Covid-19. Nidina tsikelikely izany, 26 000 dolara ny janoary […]
Taratra
Airport council international: seranam-piaramanidina mendrika ny eto Antananarivo
Manana ny kalitao tsara omena ny mpandeha ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo. Porofon’izany ny nahazoany fankasitrahana iraisam-pirenena nomen’ny Airport Council International World. Azon’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo ny loka «seranam-piaramanidina mendrika indrindra ho an’ireo mandray mpandeha latsaky ny 2 tapitrisa» ho an’ny taona 2023, natolotry ny Airport Council International (ACI) World. Mitantana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hamokatra zezika 36 000 hatramin’ny 50 000 t isan-taona amin’ny vidiny mirary, latsaky ny 10% raha oharina amin’ny vidiny maneran-tany ny orinasa ETG. Maro ihany koa ny tolotra omeny ny tantsaha, toy ny Urée, ny NPK, ny DAP. Marihina fa miantoka ny fahatsaran’ny vokatra ny fampiasana zezika tsara kalitao. Mitotaly 22 333 ireo […]
FEPA andiany faha-16: Ainga vao ho an’ny fiompiana eto amintsika
Hotanterahina ny 25 ka hatramin’ny 28 avrily, eny amin’ny Malagasy professionnel de l’élévage (MPE) Nanisana ny Tsenaben’ ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy (FEPA), andiany faha-16. Ho hita eny an-toerana, mandritra ireo efatr’andro ireo, ny vokatra rehetra azo sy afaka entina hanatsarana ny fiompiana. Hisongadina manokana ireo toeram-pivarotana […]
Fifandraisana iraisam-pirenena: Ampirisihina ny fiaraha-miasan’i Afrika sy i Sina
Vonona hanampy ny firenena Afrikanina amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena i Sina. Mila jerena manokana ireo sehatra mifanaraka amin’ny filan’ny firenena Afrikanina ao anatin’ny fanajana ny tombontsoan’ny firenena roa tonta. Mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara ny firenena sinoa, indrindra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena. Voaresaka izany nandritra ny fihaonambe […]




