“Ho an’i Mikakely” – M’Lam Manakambahiny. Tsy mitsahatra ny tolo-tanana ato amin’ity toerana ity, ho fanampiana amin’ny fitsaboana an’i Mikakely. Hiaka-tsehatra anio, manomboka amin’ny 5 ora hariva ry Théo Rakotovao, Teddy Solo sy ny namany, ary ny Faith. Hitohy ny sabotsy miaraka amin’ny Raozin’ny Paradisa, Hery Vaika, Tarika Tary, ary […]
Taratra
« Temps Forts Théâtre »: Tanjona ny hamerina ny maha izy ny teatra
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), manomboka ny 10 marsa hatramin’ny 28 marsa 2024, ny «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany. Hetsika natao hanasongadinana ny teatra na ny tranainy na ny moderina. Fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny teatra izany. Vondrona maro samihafa, mpiangaly ny haikanto no hitondra seho hanamarihina ny […]
Voatery, voaporitra…: Nanjary narivo fisainana ny Malagasy
« Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihina… », hoy ny tononkira. Raha tany ambadiky ny 300 na 400 taona, mety marina io. Fa ny vanim-potoana ankehitriny, toa mandà izany. Tranga tsy tongatonga ho azy fa nisy antony. Nisy nanery, nisy nanaporitra… Nanana ny akony eo amin’ny fiarahamonina iray manontolo ilay fiovana. Firenena tatsinanana […]
FANTINA sy FINTINA
Sarahina amin’ny distrikan’Ambovombe ny distrikan’Antanimora Atsimo, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha. Mifototra amin’ny fepetra ara-jeografika, toy ny fahalaviran-toerana sy fitokana-monina ny fanadihadian’ny minisiteran’ny Atitany amin’izany. Eo koa ny fepetra momba ny fitoviana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina. Maromaro ireo fanendrena prefet sy sefo distrika tamin’ny filankevitry […]
Fifidianana: “Azo eritreretina ny hahamaro anisa ny mpanohitra”
“Mety azo eritreretina ny tsy hahamaro anisa ny eo anivon’ny fitondrana eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny fiatrehana fifidianana depiote. Hita fa miady izy samy izy manohana ny fitondrana amin’izao fotoana izao, raha tsy hiresaka afa-tsy ny TGV sy ny Upar. […]




