Ny 18 – 22 marsa izao no hiditra an-tsehatra ny taranja basikety, 3×3, amin’ny Lalao Afrikanina atao any Accra Ghana. Mandra-piandry ny andro hiaingan’ireo Malagasy delegasiona eo amin’ity taranja ity, mitohy ny fanazarantena, ho an’ny ekipa. Hotanterahina rahampitso sabotsy 9 marsa, eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, […]
Taratra
Andron’ny vehivavy: mikarakara lalao basikety ny ligin’Analamanga
Ho fanamarihana ny Andro natokana ho an’ny vehivavy maneran-tany, anio. Hisy ny lalao basikety, 5×5, karakarain’ny ligin’Analamanga, amin’ity zoma 8 marsa ity, eny Ankatso. Hetsika hiarahan’izy ireo manatanteraka amin’ny vehivavy mpitsara basikety sy ny vehivavy mpanao gazety mpilalao, Journaliste Basketteuse (JOBA). Raha ny fanazavana nomen-dRazafindrabe Ando, mpikarakara omaly, teny Ampefiloha, […]
Karate-Lalao Afrikanina : Votsotra teo am-pelatanan’i Gaëlle ny alimo
Tapitra ny lalan’i Madagasikara, teo amin’ny taranja karate katà, nandritra ny andiany faha-13 ny “Lalao Afrikanina”, atao any Ghana. Tsy nahazo ny medaly alimo i Gaëlle rehefa resy, nanoloana ilay Egiptiana, omaly. Dingana iray tsy nahatongavana teo amin’ny “podium”, tsy nahafa-bela an-dRakotonindrina Gaëlle Linda, niatrika ny Paruren, katà, taranja karate, omaly. […]
Ao anatin’ny 100 andro : volamena 500 kg haondrana ara-dalàna
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny hanomezan-danja ny sehatry ny volamena. Hapetraka ny fanadiovana volamena (raffinerie aurifère nationale). Hisy koa ny fanadihadiana lalina mialoha ny fananganana ny fotodrafitrasa ao anatin’ny 100 andro. Tanjona, araka izany, ny hanondranana volamena milanja 500 kg amin’ny fomba ara-dalàna mandritra io vanim-potoana io. Noho izany, hentitra ny […]
« TBF -7 » : hampiroboroboana ny fizahantany anatiny
Hatao ny 15-17 marsa ho avy izao ny hetsika “Tsenaben’ny Fizahantany” (TBF), andiany fahafito. Miara-mikarakara azy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) sy ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Etsy amin’ny zaridaina an’ Antaninarenina ny toerana hanaovana azy, entina hampiroboroboana ny fizahantany eto an-toerana, sady hanohanana […]




