Saron’ny polisin’ny UIR Tsaralalana teny 67 ha, afakomaly ireo jiolahy telo niaraka tamina vehivavy iray tompon’ antoka tamina fanendahana. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina tamin’io fotoana io, nifanehatra tamin’ireo polisy nanao fisafoana nivoaka avy anaty elakela-trano ireto jiolahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto hamonjy fodiana no nosakanan’izy efatra mianadahy […]
Taratra
Ady lova tao Vatomandry: hanaovana famotorana indray i Jasmin
Mbola tsy afaka am-bavan’ny rehetra ilay vonoan’olona feno habibiana nitranga tao Vatomandry. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny polisim-pirenena Atsinanana, ny kaomisera Rajaobelina Herizo, taorian’ny fampidirana am-ponja ireo telo lahy namono nahafaty ilay renim-pianakaviana tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ny alin’ny 4 febroary 2024 teo, tsy hijanona […]
Fanondranana harem-pirenena: Sokatra roa valizy sarona tetsy Tsarasaotra
Sokatra miisa 147 nokasaina hamidy nogiazan’ny zandary, teny Tsarasaotra, omaly. Ifampitadiavana ireo tompon’antoka. Zana-tsokatra miisa 147 azon’ny zandary teny Tsarasaotra, mihazo ny lalam-baovao mampitohy an’ Ivato, omaly maraina. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny zandary fa misy ny fikasana hivarotra sokatra teo amin’io toerana io. Nidina ifotony nanamarina ny […]
« Pureplay Football League »: voalohany ny Fosa Junior
Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Misongadina tanteraka ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, izay laharana voalohany ao amin’ny kaoferansy avaratra, manana isa sivy (9). Farany kosa ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy atsy amin’ny kaoferansy atsimo, isa iray (1). Ny ekipan’ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Notanterahina omaly, teny amin’ny Palais de Sport Mahamasina, ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanana CCZone 7, taranja Volley-Ball, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, nihintsana teo amin’ity dingana ity ny Club Volley-ball Farafangana. Resin’ny St Denis Olympique Volley-ball, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25,20/25,11/26,24) izy ireo. Hotontosaina any Accra […]




