Nomena vahana ny vehivavy marefo sy mamelon-tena irery ao Toamasina amin’ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana, karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa. Natomboka ny alatsinainy lasa teo, tany an-toerana, ny fanofanana niarahana amin’ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana. Miisa 140 ireo vehivavy manaraka ity fiofanana ity satria voafetra ny toerana. Hizara […]
Taratra
Toetry ny andro: ahina ny fiforonan’ ny rivodoza
Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa ahina ny mety hisian’ny fiforonana andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny faran’ny herinandro. Ambany amin’ny ankapobeny ny tsindrin’ny habaka eto amin’ny Nosy, ao anatin’ny efatra andro ho avy. Hahazo vahana kosa ny varatraza aorian’izay. Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka saika […]
Oniversite : manara-maso ny fikirakirana vatsim-pianarana ny minisitera
Anisan’ny fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ao anaty 100 andro ny hanomezana vatsim-pianarana ny mpianatra ara-potoana. Nidina ifotony teny amin’ny CIDST Tsimbazaza, nijery ny fizotry ny asa ny minisitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hita fa miasa andro aman’alina ireo tomponandraikitra mamita ny dingana tokony harahina rehetra. Ny […]
Fakana an-keriny ao Ankazobe : Afera maloton’ny mpiasam-panjakana
Tsy misy fiafarany! Nanomboka ny volana septambra 2023 hatramin’ny afakomaly alina, misy hatrany ny fakana an-keriny ao amin’ny distrika Ankazobe. Ampangain’ny mponina ho tompon’antoka voalohany ny mpiasam-panjakana ambony any an-toerana, miara-miasa amin’ny tambajotran’olon-dratsy avy aty an-drenivohitra. « Basy mahery vaika, atakalo vatosoa no ampiasain’ny jiolahy », hoy ny mponina. Tsy misy vahaolana […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry Raindé. Mpitendry amponga maroanaka, efa nanaraka tarika maro toa an-dry Mima, Rossy, toto Mwandjani. Tojo tsy fahasalamana efa fotoana ela Raindé. Nisy fahasarotana izany, ka nanao antso tolo-tanana ho fanampiana azy ny fianakaviana sy ireo namany. Tsy nahatosika ny aretina anefa ity mpanakanto ity ka nitarika ny fahafatesany izany. […]




