Taratra

Beach soccer : hatao any Manakara ny “Mada 2024”

Hotanterahina any Manakara, ny volana jolaly ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena, taranja beach soccer, ho an’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Io ny fandaharam-potoana navoakan’ny vaomiera misahana ity taranja ity eo anivon’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny ala­tsinainy lasa teo. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny daty mazava […]

Tenisy – sokajy U14 : horaisin’i Madagasikara ny «Tournoi circuit Africain 2024»

Hampiantrano fifaninanana iraisam-pirenena indray ny federasiona malagasin’ny tennis (FMT). Hotontosaina eto Madagasikara ny fihaonana ho an’ny sokajy zandriny U14, lahy sy vavy «Tournoi circuit Africain 2024». Hatao eny amin’ny club du Car Ivato, ny “Tour­noi circuit Africain 2024”, taranja tenisy, ho an’ny latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Misokatra […]

Sehatra tsy miankina : hanamora ny fikirakirana taratasy ny e-work

Ho vita ao anatin’ny dimy andro ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo teratany vahiny manao fangatahana asa eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny e-work. Tafiditra ao anatin’ny Vovonan’ny haitao ara-kajy mirindran’ny Eco­nomic Development Board of Madagascar (EDBM) ny e-work. Araka izany,hampihena ny fivezivezena sy ny fotoana lany, indrindra ho an’ny sehatra tsy […]

Fitantanana ny antontanisa : hanamafisana ny fahaiza-manao ny Statcap II

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Ankorondrano, ny tetikasa Statcap II. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola, hanatsarana ny tontolon’ny antontanisa. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena momba ny antontanisa (Instat), i Ndremitsara Tarzan, fa natao hanamafisana ny fahaiza-manao ity tetikasa ity. Anisan’izany ny momba ny fandrindrana ny antontanisa mba hitovy fomba […]

INDRAY MIJERY

Nizara kojakojam-pianarana 5 500 eo ho eo ho an’ny mpianatry ny EPP 30 mahery, ao anatin’ny distrika Moramanga, Brickaville ary Toamasina I sy II, ny orinasa Ambatovy. Ho fanamaivanana ny vola lanin’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ho amin’ny taom-pianarana 2023-2024 no tanjona . Ny fahasalamana manakaiky vahoaka no […]