Tafakatra 18 ireo jiolahy matin’ny polisy ho an’ny tao an-drenivohitr’i Toamasina nandritra ny taona 2022. Nitrangana fanafihana nitam-piadiana ka nahaverezana vola mitentina 2 400 000 Ar sy moto roa tao Androranga, ny 22 desambra teo. Tsikaritry ny manodidina ireo olon-dratsy. Nanatona ny manam-pahefana nanao fitarainana koa ireo niharam-boina. Naharay loharanom-baovao avy tamina […]
Taratra
Nivadika tany ambany tetezana: mpamily taksiborosy sy mpandeha roa naratra mafy
Nivadika tampoka tany ambany tetezana, naratra mafy vokatry ny fivadihan’ny fiara taksiborosy ny mpamily iray sy ny mpandeha roa tao amin’ny tetezan’i Bikirajibe, kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, ny faran’ny herinandro teo. Mampitohy an’i Port-Berger sy Mandritsara, nitondra mpandeha maromaro ity fiarabe ity. Kinanjo, nivadika tampoka ny fiara teo amin’io tetezana […]
Fiatrehana ny fetin’ny Noely: notoloran’ny Arema vary ny eny ambany tanàna
Nanolotra vary hoentina miatrika ny fetin’ny Noely teny Andavamba ny Arema. Nitarika izany teny an-toerana ny sekretera nasionaly (SN), Ratsiraka Annick. Nambarany fa fanatanterahana ny fahendrena napetraky ny amiraly Ratsiraka ny hetsika tahaka izao. Fijerena ny sokajin’olona rehetra, araka ny nambarany. Anisan’ny nisitrika izany ireo mpandray anjara tamin’ny asa tanamaro […]
DCSSM: mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila nahavita fiofanana
Miisa 200 indray ireo mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila nahavita fiofanana teny amin’ny DCSSM. Hiantsehatra avy hatrany izy ireo amin’ireo ambana mety hiseho eto amin’ny firenena… Notontosaina teny amin’ny Direction centrale du service de santé militaire (DCSSM), ny famoahana ireo mpianatra mpitsabo mpanampy miaramila miisa 200, nahavita fiofanana “Certificat technique numéro […]
Fiainam-pikambanana: manohy ny asa sosialy ny ACT
Mametraka tanjona ny hampivondrona ireo teratany sinoa ny “Association des chinois à Tananarive – ACT”. Maherin’ny 700 ny isan’ireo teratany sinoa mivondrona ao anatin’izany, tarihin’ny birao vaovao, miaraka amin’i Sam Tio James. Nilaza ny hanohy ny asan’ny teo aloha izy ireo amin’izao dimy taona manaraka izao. Eo ny asa sosialy […]