Taratra

HEA Enam : hametraka fenitra amin’ny fitantanan-draharaha

Lany ho filohan’ ny fikambanan’ireo manampahaizana ambony, DHEA, nivoaka avy amin’ny sekoly momba ny fitantanan-draharaha (Enam), Ramanantsoa Andriamaha­fa­ly Rado, izay avy amin’ny andiany fahatelo. Tomponandraikitra vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy miankina eto amin’ny firenena ny DHEA. Vonona hitondra ambony ny fanevan’ny […]

Kaominina Androhibe: miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

Manodidina ny 300 ireo tantsaha nisitraka zezika 300 t avy amin’ny orinasa tsy miankina ao amin’ny kaominina An­dro­hibe Antsahadinta, distrikan’Atsimondrano, omaly. Avy amin’ny fikambanana matihanina ireo tantsaha ireo ary nisitraka fampiofanana momba ny fambolena sy ny fitantanam-bola ihany koa. “Porofon’ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny fanehoana fiaraha-mientana […]

Vohoka tsy irina – IST/Sida: tsy miaro tena ny tanora

Any an-tokatrano, ny zazavavy ihany no mahazo fanabeazana avy amin’ny ray aman-dreny. Matetika tsy manazava ny fahasalamana ara-pananahana izy ireny fa mijanona ho fananarana miendrika fampitahorana fotsiny. Nanao fanadihadiana an’ ireo tanora 800 amin’ny toerana efatra: Antana­narivo, Toamasina, Antsirana­na ary Toliara ny Health Economics and HIV and Aids Research Division(HEARD), […]

Taranja Tolona: fifaninanana 3 tsy maintsy hatrehina

Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML) ny zoma lasa teo, teny Andohatapenaka, fa telo ireo fifaninanana hatrehin’izy ireo, ho an’ny volana marsa. Ankoatra ny lalao Afrikanina hatao any Ghana, ny faha 8 hatramin’ny faha 23 ny volana ho avy, mbola hisy fihaonana iraisam-pirenena roa, ao anatin’ny fandaharam-potoana. Anisan’izany, […]

“Pureplay Football League” : nisaraka ady sahala ny Uscafoot sy ny Cosfa

Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo ny andro fahatelon’ny fifaninanam-pirenena «Pureplay Football Lea­gue (PFL)», taranja baolina kitra, diviziona voalohany. Ady sahala, 1 no ho 1, no nisarahan’ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Cosfa miaramila. Lalao notontosaina teny amin’ny Kianjan’i Ma­hitsy, ny sabotsy teo. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta, samy […]