Tsy misy tokony hiadian-kevitra intsony ny “Raharaha Gemfields”, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, Rakotondrazafy Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo. Raharaha nahavoasaringotra ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha, Andrianarisoa Romy Voos. Tsy misy idiran’ny filohan’ny Repoblika ny raharaha, ary diso ny ahiahin’ny mpanohitra ny amin’izany. « Efa maro ireo […]
Taratra
Rakoto Andrianirina Fetison : “Mihemotra tsikelikely ny demokrasia”
“Mihemotra tsikelikely ny demokrasia eto Madagasikara. Mampatahotra izany satria mandroso tsikelikely amin’ny fanjakana manao didiko fe lehibe isika, raha sanatria mitohy izao”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), Rakoto Andrianirina Fetison, manoloana ny fisamborana ny filohan’ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-drazana sy ny foko malagasy […]
Mahantra
Mahatonga hiantra ny hoe mahantra. Ahoana ny ady amin’ny fahantrana amin’izany? Eo amin’ny tsirairay, isan-tokantrano, isam-paritra, isam-pirenena. Tsy afa-bela amin’ny trosa sy fanampiana, ohatra, ny tany mahantra? Na tsy vita ny manapa-kevitra fa mila fahasahiana, fijoroana, fahavononana, fiaretana. Nahoana, ohatra, no hoe manana harena voajanahary tsy hita pesimpesenina na […]
Fiombonambe iraisam-pirenena : hisy fanampiana ho an’ny PGE sy ny fifidianana
Anatin’ny fanatanterahana ny vina sy ny drafitrasa tanteraka ny governemanta, ankehitriny. Efa mahazo ny fankatoavana sy fanampian’ny fiankaviambe iraisam-pirenena rahateo izany. “Zavatra roa lehibe no nodinihina. Ny iray voalohany momba ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE)”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, nanazava ny amin’ny fiaraha-midinika voalohany, taona 2024, teo amin’ny governemanta […]
Ambohijanaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona nahasambotra azy ny jiolahy iray tratra teny Tsilazaina, kaominina Ambohijanaka, ny alin’ny zoma 23 febroary teo. Nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io fokontany io ny jiolahy miisa dimy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Nifarimbona sy nifanome tanana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana nanakana ny asa […]




