Taratra

Kitra – «Premier league »: lavon’ny Man City ny Liverpool

Tafakatra amin’ny dingana ampahefa-dalana ny fiadiana ny amboaran’i Angletera “League Cup”, ny Manchester City. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Liverpool, teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Etihad Stadium, ny alakamisy lasa teo. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta. Ry zareo citizens no nanokatra […]

Rugby: nodimandry ny Dr Aimé

Misaona ny tontolon’ny rugby malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana tampoka, teo amin’ny faha-49 taonany, ny dokotera Andriamiadana Lova Aimé. Araka ny vaovao, niakatra tampoka ny tosidrany, ny alarobia 21 desambra lasa teo, ka tsy nahatsiarovany tena. Nentina avy hatrany teny amin’ny Hopitaly Miaramila Soavinandriana, ary naiditra tao amin’ny trano famelomana aina. Natao […]

Handball: tsy mbola zakan’ny Akio de Madagascar i Afrika

Ratsy ny vokatra ho an’ny taranja iraisana handball sy ny beach soccer, raha ny fifaninanana afrikanina ho an’ny ekipam-pirenena no lazaina, tamin’ity taona 2022 ity. Tsy nahazo fandresena mihitsy ry zalahy, tamin’ireo fihaonana rehetra natrehiny. Mila ezaka ny fiatrehana ny taona vaovao 2023. Lavitra ho an’ny handball malagasy ny Kaontinanta […]

Tenisy – «Mada 2022»: nanjakan’Analamanga

Nifarana ny 11 desambra lasa teo, tany amin’ny kianja Acmil Antsirabe, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja tenisy, sokajy rehetra. Fihaonana voalohany natao tany amin’ny faritra, ho an’ny federasiona malagasin’ny tenisy (FMT). Raha ny vokatra, mbola nanjakan’ireo mpila­laon’ny ligin’Ana­lamanga avokoa ny ankamaroan’ny sokajy, nifaninanana. Anisan’ny nisongadina, teo amin’ny «1 […]