Voasambotry ny polisy ny mpamaky trano roa lahy tao Antanety avaratra Ambohimanarina, omaly. Nitsofoka mangingina tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io izy roa lahy. Tsikaritry ny vaomieran’ny fandriampahalemana izy mirahalahy ireo tamin’ny 2 ora maraina . Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ilay nanatri-maso. Tratra teo am-pikononkononana handroba ilay tokantrano […]
Taratra
Taorian’ny fiofanana asa amin’ny web: tanora 200 niatrika fifantenana mivantana
Hisitraka asa sahaza azy ireo tanora nanaraka fiofanana maimaimpoana nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika. Taorian’ny fiofanana maimaimpoana nampanaovin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa momba ny asa amin’ny web, ny volana janoary lasa teo, niroso tamin’ ny fandraisana mpiasa mivantana ny orinasa fito, omaly, teny Ampefiloha, foiben-toeran’ny minisitera. Tanora 200 voaofana […]
Vatovavy sy Atsinanana : Hitondra sisan-drahona i Eleanor
Taorian’ny fandalovany tao Atsinanan’i Maorisy afakomaly, nanohy ny diany nianatsimo ilay rivodoza Eleanor. Omaly maraina tamin’ny 11 ora, tany amin’ny 1 160 km atsinanan’i Farafangana no nisy ny ivony. 90 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km isan’ora. Raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana, hita fa […]
Mamely ny lefakozatra: misy olon-dehibe, malemy tampoka!
Miverina ary mbola tena mamely ny lefakozatra eto Madagasikara. Tsy mifidy taona. Misy ny olon-dehibe malemy tampoka. Hitohy ny fanaovam-bakisiny faobe amin’ity taona ity. Nitsidika ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny delegasiona iraisam-pirenena ho famongorana ny lefakozatra. Nahitana ny solotenan’ny Unicef sy ny Sampandraharahan’ […]
INDRAY MIJERY
Nanomboka tamin’ity herinandro ity, tao amin’ny Tranompokonolona Ankorondrano Andrefana, ny fizarana tohanaina andiany voalohany ho an’ireo fokontany miisa 5. Ireo olona nifanome tanana tamin’ny asa fanadiovana ny lakandrano Andriantany sy C3 ary ny lakandrano eny anivon’ny fokontany, boriborintany fahatelo, no nisitraka izany. Vita omaly ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny valanjavaboahary […]




