Taratra

TARATRY ny KANTO

Eric Tselatra – Piment Café Behoririka. Tsy dia fahita matetika ao amin’ity toeram-pialamboly ity ny mpanakanto hanafana ny sehatra anio. Mandalo an-tanindrazana i Eric Tselatra, hotronin’ireo namany, manomboka amin’ny 8 ora alina. Na toerana kelikely aza, mety amin’ny mozika mavesatra ihany koa, mampifanakaiky ny mpankafy sy ny mpanakanto, ny Piment […]

«71st Miss World Festival»: Voalohany tamin’ny hazakazaka i Antsaly

Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ny mpandray anjara amin’ny «Miss World Festival” andiany faha-71, atao any New Delhi sy Mumbai, Inde. Rajoelina Antsaly no misolo tena an’i Madagasikara amin’ izany fifaninanana lehibe maneran-tany izany. Nisy ny filatroana sy fisehoana an-tsehatra voalohany, omaly. Natao tamin’ny Opening dinner, niaraka tamin’ny fiakanjo nentin-drazana sy […]

Ivokolo Analakely: Sehatra ivelaran’ireo mpanao hosodoko

Manome sehatra ho an’ny mpanao hosodoko ihany koa ny fanjakana. Izay no nanokanana ny “Galerie d’art” etsy amin’ny Ivokolo Analakely, izay mandray ireo mpanakanto mpanao hosodoko Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny “taona koltoraly 2024”, ho an’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina, na ny OFNAC, etsy Analakely. Ity […]

Edisiona Jeunes Malgaches: mitohy ny fiaraha-miasa amin’i Arikaomisa R.

Tontosa omaly ny fanaovan-tsonia fanaovaozana fiaraha-miasa, eo amin’i Arikao­misa Randria, Malagasy mpanoratra, sy ny edisiona Jeunes Malgaches. Hisy ny boky vaovao hivoaka amin’ny volana avrily 2024. Tsiahivina fa boky mahakasika ny fanabeazana sy fitaizana ankizy no tena ahafantarana ny edisiona Jeu­nes Malgaches, ary miray vina amin’izy ireo amin’izany ity mpanoratra […]

«Rallye Moi(s) Théâtre», andiany faha-7: Hanome vahana ny vehivavy sy ny ankizy

Hotontosaina eto an-dRenivohitra sy ny manodidina, ny 1 marsa ka hatramin’ny 8 marsa izao, ny andiany faha-7 amin’ny «Rallye Moi(s) Théâtre». Amin’ny ankapobeny, notazonina hatrany ireo fandaharanasa nahafantarana ity hetsika karakarain’ny Com­pagnie Miangaly Théâtre ity hatramin’izay. Anisan’izany ny fampisehoana eny an-tsehatra, ny atrikasa sy ny fifanakalozana ary ny «soratra». Ho […]