Misy ny tolotra vaovao Fameno, navoakan’ny orinasa MVola. Nentina hamonjena ny mpanjifa raha sendra tsy ampy ny volany ao amin’ny kaontiny, ahafahany mandefa vola na koa mividy zavatra na handoa faktiora. Hatramin’ny 1.000.000 Ar ny vola azo indramina ary maimaimpoana tsy misy sarany. Azo honeran’ny mpanjifa ao anatin’ny fito andro, […]
Taratra
Moramanga : tratra ilay lehilahy mpamboly rongony
Voasambotry ny polisy ny lehilahy iray mpamboly sady mpivarotra rongony tao Ambohitranjavidy, kaominina Moramanga, afakomaly. Naharay antso tamin’ny tomponandraikitry ny fokontany ny mpitandro filaminana momba ny fisian’ny lehilahy iray manao io fambolena rongony io eo an-tokotaniny. Nanamarina ny zava-nisy ny polisy. Tratra tao an-tranony tokoa ilay lehilahy voalaza. Notapahina avokoa […]
Tarika AmbondronA : fiakarana an-tsehatra voalohany ho an’ny taona 2024
Seho tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay. Fampanantenana nataon’ny tarika AmbondronA io, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety AmbondronA, tarika tsy zoviana amin’ny mpitia zavakanto. Hiakatra an-tsehatra voalohany amin’ity taona 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny CCI Ivato, ny 25 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiavaka ny seho, satria, […]
INDRAY MIJERY
9 484 ny olona traboina vokatry ny rotsakorana be niseho nanomboka ny 6 febroary lasa teo. 4 796 ireo nafindra toerana amin’ny toeram-pandraisana 16. Mahatratra 9 147 ha ny tanimbary dibo-drano ao Benenitra, Fenoarivo Atsinanana ary Toamasina II. 12 ny olona namoy ny ainy ary sivy ireo tsy hita popoka, araka ny […]
Distrikan’Antanifotsy : miandrandra olona hitondra fampandrosoana
Nanao fanambarana omaly, ireo ben’ny Tanàna 12, ao amin’ny distrikan’Antanifotsy. Milaza izy ireo fa miandrandra olom-baovao hitondra fampandrosoana any an-toerana. Manoloana izany, hanolotra an-dRakotondrazafy Justin na i Zilikely Fanavotana ho kandidà amin’ny fifidianana solombavambahoaka izy ireo. Mangataka ny fankatoavan’ny fanjakana foibe ireo ben’ny Tanàna mba ho isan’ny kandidam-panjakana ny olona […]




