Taratra

Faritra Analamanga : nanolotra fitaovana ny Pnud

Natao omaly, tetsy Ambohidahy, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny faritra Analamanga sy ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny Pnud. Fanolorana fitaovana hiatrehana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza no nifantohan’izany. Nisy ny fanolorana motopompes, moto, borety, trano lay… Nilaza ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, fa tonga ara-potoana ny […]

Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote

Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy. Namoaka « note circu­laire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Ma­nambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahala­lana rehetra […]

Fampiofanana olom-boafidy: nahazo fiofanana ny tomponandraikitra

Manatanteraka fiofanana mahakasika ny fitantanana raharaham-panjakana, ny Ta­le sy ny Lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny Ins­titut Nationale de la Décen­tralisation et du Dévelop­pe­ment Local (INDDL). Fiofa­nana izay notanterahina na­no­mboka omaly ary ifarana anio. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafantaran’izy ireo bebekokoa ny momba ny fanjakana tsara tantana sy ny hahafehezan’izy ireo […]

Fametrahana sekretariam-panjakana : velom-panahiana ny firaisamonina sivily sasany

Raha jerena ny lasa, ny fandaniana mihoa-pampana nandritra ny taona amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana, manana zo feno ny olom-pirenena hitaky mangarahara, tamberin’andraikitra, indrindra fiantraikany mivaingana amin’ny fiainany andavanandro ho an’ny fampandrosoana maharitra. Izay no anisan’ny voalazan’ny fanambaran’ny firaisamonina sivily CCOC, MSIS-Tatao, ONG Hitsy, ONG Ivorary, ONG Lalana, ONG Ravin­tsara, omaly, ny amin’ny […]

Diplaomasia: mitohy ny fiaraha-miasa amin’ i Alzeria sy i Korea

Nahazo fankatoavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny nahavoafidy indray ny filoha Rajoelina amin’izao fe-potoam-piasana vaovao izao. Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy firenena… Nanolotra ny taratasy fanendrena azy hiasa sy honina eto Madaga­sikara tamin’ny filohan’ny Repo­blika, Rajoelina Andry, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka, Filali Ghouini, teny amin’ny lapam-panjakana […]