Mitohy ny fampanantenan’ny filoham-pirenena ny vahoaka amin’ny fitondrana hazavana, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Nahafaly ny mponina ny fisitrahana ireo jiro cobra teny amin’ny fokontany 67ha Avaratra Andrefana. Nitohy, omaly, ny fametrahana jiro cobra hanazava ny lalana maro eto Antananarivo. Nisitraka izany ny mponina teo anivon’ny fokontany 67 ha Avaratra Andrefana. […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Hatao ny alahady 25 febroary izao, eny amin’ny Tranompokonolona Ivato, ny”Grand combat Muay Thaï”, hifanandrinan’ny mpikatroka avy any Toamasina sy ny avy eto Analamanga. Sokajy A, B, C no hifaninana mandritra izany, izay hahitana ireo kalaza efa andrarezina sy izay mbola vao misandratra. Mizotra tsara ny fikarakarana ny handraisan’i Madagasikara, […]
Rugby vehivavy : Makis 41 hanomana ny Can 2024
Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina eto Madagasikara ny 2 ka hatramin’ny 13 mai ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona 15 (CAN 2024), sokajy vehivavy. Hiady lohany amin’izany ny Makis de Madagascar, ny Springboks Afrika Atsimo, ny Liona-n’i Cameroun ary i Kenya. Hiatrika […]
Cross country Analamanga : hatao ny alahady izao ny fifaninanana
Araka ny tetiandro napetraky ny ligin’ny atletisma Analamanga, hotanterahina amin’ny alahady 25 febroary ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondaka amin’ny Cross country. Eny amin’ny bout de piste Ivato no hanaovana izany. Hanana ny lanjany lehibe ity fihaonana ity, satria hifantenana izay hisolo tena an’Analamanga amin’ny fifaninanam-pirenena hatao any […]
Fifanintsanana Afrobasket 2025: hifandona voalohany amin’ny Ankoay i Côte d’Ivoire
Efa nigadona any Egypte, ny ekipa malagasy, hiatrika ny dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025. I Côte d’Ivoire no mpifanandrina voalohany amin’ny Ankoay Rahampitso zoma 23 febroary no hanomboka ity dingana voalohan’ny fifanintsanana amin’ny Afrobasket 2025, tanterahina any Le Caire Egypte. Ny ekipan’ny Côte d’Ivoire no hifandona voalohany amin’ny Malagasy […]




