Mandeha ny fanohizana ny asa ao anatin’ny tetikasa “Fanajariana ny faritra iva eto Antananarivo (Produir)”, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Ao anatin’izany ny fanajariana sy fanarenana ny lakandrano C3.Mila fanentanana ny mponina izany mba hahatsapan’izy ireo ny lanjan’ity tetikasa goavana ity. Koa, nisy ny hetsika diabe, nitetezana tanàna, niainga teny Ambodimita […]
Taratra
Madagasikara: havaozina ny fiarovana ny karazan-javamananaina
Tontosa omaly, tetsy Antaninareina, ny atrikasa fanavaozana ny paikady sy drafitrasa nasionaly mahakasika ny karazan-javamananaina eto Madagasikara. Manamarika dingana lehibe amin’ny fandraisan’ny firenena anjara amin’ny fanatanterahana ny drafitrasa maneran-tany mahakasika ny karazan-javamananaina, Kunming-Montreal, izay nankatoavina nandritra ny fivoriamben’ny Firenena mikambana momba ny karazan-javamananaina, ny volana desambra 2022, izany. Natao hampahafantarana […]
Famokarana zezika : miroso amin’ny dinika ireo mpiara-miombon’antoka
Hiantoka ny fampiroboroboana ny famokarana ny fananganana orinasa mpamokatra zezika, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ankehitriny, miroso amin’ny dinika ho fantanterahana ny tetikasa ireo mpisehatra. Fanamby apetrak’i Madagasikara ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vina apetraky ny fitondram-panjakana ny hanangana orinasa mpamokatra zezika hampihenana ny fanafarana any ivelany ary ho fanamorana ny […]
TARATRY ny KANTO
Fifaninanana sarimihetsika fohy. “Ireo adin’ny vehivavy malagasy” no lohahevitry ny “Up contest”, izay misokatra ho an’izay liana. Horonantsary fohy anatin’ny 30 segondra hatramin’ny 10 minitra no takina amin’ny mpifaninana. Mila miditra ao amin’ny tranonkalan’ny Cine.up mijery ny fepetra sy ny fipitsika. Vola 1 tapitrisa Ar ny loka voalohany amin’izany. “Talent […]
« Sokela, la parole du Sud » faha-12: misongadina ny fanabeazana
Azon’ireo any ampitan-dranomasina jifaina, eny anivon’ny trano famakiana sy fivarotam-boky maro, nanomboka omaly, ny « Sokela, la parole du Sud », laharana faha-12, notontosain’ny Profesora Rasamoelina Henri. Tsiahivina fa ny 15 febroary 2024 no nivoahany tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny eto Madagasikara. Lahatsoratra 17 no mandrafitra azy ity, ary Malagasy mpikaroka miisa […]




