Sarotra ny fotoana iarahan’ny tarika manontolo an-tsehatra. Any ivelany no miasa sy monina ny mpikambana sasany, na ho an’ny tarika Feo Gasy na ny Lôlô sy ny tariny. Manohy ny “revy” kosa ireo mpikambana aty an-tanindrazana, ary tsy mampaninona ireo mpankafy izany. Hisy indray, araka izany, ny “Revy Feo Gasy […]
Taratra
« Velapiainana »: hamoaka ny tsiambaratelom-pitiavany Ratsifa
Tsy tazana loatra ao anatin’ny sanganasany ny zavatra iainany. Ratsifa, mpanoratra miaina tahaka ny olon-drehetra. Hiresaka momba ny fitiavana izy sy i Maneho anio. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Hotanterahina anio, etsy amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra « Velapiainana ». Ny ho fizotry ny hetsika ? Ratsifa (-) : Amin’ny […]
Mpanao mari-trano : manana anjara andraikitra ao anatin’ny fanajariana ny tany
Tsy mbola mahafantatra ny asan’ny mpanao mari-trano ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy, raha ny fanadihadiana natao. Mihevitra ihany koa ny sasany fa lafo sy natokana ho an’ny mpanankarena izany. Miteraka faharatsian’ny fotodrafitrasa anefa izany, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny Holafitry ny mpanao mari-trano malagasy. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana avokoa ny 80 %-n’ny trano aorina eto Madagasikara […]
FANTINA sy FINTINA
Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fampiasana ny Diary fanarahan-draharaha eny anivon’ny fitsarana, Anosy. Araka ny fanazavanan’ny minisitry ny Fitsarana, ezahina ny hanatsara ny fandraisana ireo manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Fantatra, ohatra, ny andro hakana ny didim-pitsarana, ny fanemorana… Haparitaka any Antsirabe sy Toamasina izany ao anatin’ny zato andro. Ny fametrahana […]
lisi-pifidianana : niakatra ny taham-pisoratana anarana
“Niakatra 11,7% ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana raha oharina tamin’ny voasoratra nandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny fanambaran’ny Safidy, afakomaly, momba ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, 1 desambra 2023-15 febroary 2024 (Rale), nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Analamanga no nahitana mpifidy vaovao nisoratra anarana be indrindra, nahatratra 51 423 […]




