Ohatry ny somary nangingina izany ny fiainana politika eto amin’ny tanàna. Asa ? Samy efa manomana ny eny an-kianja, hiatrehina ilay fifidianana depiote afaka vola vitsy ve?. Ny eny anivon’ny mpanatanteraka, somary tsy re feo ny mahakasika ny sekreteram-panjakana sy ny ho mpiara-miasa aminy. Mbola mitety tany, mamita adidy rahateo ny […]
Taratra
Rasoamaromaka Hery: “Tsy mankasitraka ny governora hirotsaka ho depiote aho”
Efa fantatra ny tetiandrom-pifidianana. Momba izay ho kandidà, tsy ankasitrahan-dRasoamaromaka Hery ny firotsahan-kofidin’ny governora ho depiote. “Tsy mankasitraka ny governora mirotsaka ho depiote aho”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, afakomaly. Tsy manary ny zon’ireo governora izy. Hiara-miasa amin’ireo olom-boafidy fa tsy ho […]
Raharaha « Gemfields »: Meloka i Romy Voos Andrianarisoa
Nanapaka ny mpitsara avy amin’ny Crown Court Southwark, fitsarana anglisy, omaly, fa voaheloka noho ny kolikoly nataony Andrianarisoa Romy Voos, talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika teo aloha. Raha tsiahivina, fakana vola sy fandraisana anjara 5% amin’ny fitrandrahana hotanterahin’ny orinasa Gemfields eto Madagasikara no antontan-taratasin’ady niampangana azy. Ny 10 aogositra 2023 […]
67 ha : mpanendaka lavon’ ny polisy
Maty voatifitry ny mpitandro filaminana ny mpanendaka raindahiny iray teny 67 ha, ny alin’ny alatsinainy 19 febroary teo. Efa naharay tatitra momba azy ny polisin’ny CSP7. Mitaraina vokatry ny asa ratsiny avokoa ny mponina eny amin’ny manodidina. Tsy nitazam-potsiny, namolavola paikady ka nanao vela-pandrika ny mpitandro filaminana. Tra-tehaka tokoa izy […]
Ahina ho novonoina : Razana nizara roa, tao anaty kirihitra
Razana nitapaka roa, efa noviravirain’ny amboa, no hita tao anaty kirihitra tetsy Ambohimiandra, omaly maraina. Ny nifiny sy ny akanjony no nahafantaran’ny havany azy. Nizara roa ny vatan’ny lehilahy iray, ahina ho nisy namono. Hitan’ny fokonolona tetsy Ambohimiandra, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 8 ora, ny razana efa simba. Nahatsikaritra […]




