Taratra

Slamour 2024: azon’i Mitsinjo ny laharana voalohany

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika famaranana « Festival des Livres Romantiques ». Nama­rana­na izany ny seho hatsikana niarahana tamin’ny Rire délire sy ny fifaninanana Slamour 2024. Nandrombaka ny fifaninanana i Mitsinjo. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, ezahina hatrany ny hanamaro ny hetsika sahala amin’izao […]

Taombaovao malagasy: nahitana marimaritra iraisana ny fankalazana

Niteraka resabe tao anatin’ny fotoana lava ny mahakasika ny fankalazana ny taombaovao malagasy. Nisy ny dinika sy ny fifampiresahana, araka ny nambaran’ny Printsesy Ratsimamanga Ralandison Fenosoa, mba hahafahana mahazo ny marimaritra iraisana. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Rovan’i Madagasikara ireo Olobe sy mpitana ny soatoavina sy ny […]

Vakoka sy kolontsaina : haikanto malagasy nahavita nitety vanim-potoana ny hiragasy

Na dia anisan’ny fialambolin’ny Ma­la­gasy fahiny aza ny hiragasy. Mbo­la maro ny toerana ahitana azy ankehitriny, indrindra ny eny ambanivohitra. Efa ahitana izany ihany koa ny ety an-drenivohitra , in­drindra ny eto An­tananarivo, taorian’ny nahavitan’ny Kianjan’ny hiragasy eo Am­pe­fi­loha. Fampisehoana atrehin’ny vahoaka, mitovitovy amin’ny teatra atao an-kira, ahitana anatra sy […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy miova ny hevitry ny antoko Freedom amin’ ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fifampiarahaban’ny antoko noho ny taona vaovao teny By-pass, ny faran’ny herinandro teo. Miantso izay ho kandidà manohana ny filoha Rajoelina hisian’ny fiarahana amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly izy. […]

Lisi-pifidianana : manana 20 andro hanamarinana ny mpifidy

Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fampiakarana eny amin’ny foiben’ny informatikan’ny distrika (CID) ny karne momba ny mpifidy nisoratra anarana eny amin’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) izao. Avy eo, mankany amin’ny Ceni foibe hampidirana azy amin’ny fikirakirana ara-kajy mirindra. Hatramin’ny 28 febroary […]