Mivoatra isan’andro ny tatitra momba ny voka-dratsin’ny rotsakorana miseho eto amin’ny Nosy nanomboka ny 6 febroary lasa teo. Mitombo koa ny traboina. Niakatra ho 11 ny olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana niseho nanomboka ny 6 febroary teo ary mbola mitohy amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy ankehitriny, araka […]
Taratra
Jiu-Jitsu Breziliana : ho avy eto Madagasikara i Royce Gracie
Vaovao lehibe ho an’ny taranja Jiu-Jitsu Breziliana! Hoavy eto Madagasikara, ny volana mey izao, i Royce Gracie. Tsisy tsy mahafantatra azy eo amin’ny tontolon’ny JJB maneran-tany. Zanak’i Hélio Gracie, ilay olobe malaza namorina ny taranja Jiu-jitsu Brésilien, i Royce Gracie. Tany amin’ny taona 1990 tany no tena nampalaza azy ary […]
Basikety 3×3-“De la rue vers l’or” : Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’Analamanga
Nifarana omaly, teny amin’ny complexe sportif an’ny Cnaps Vontovorona, ny fiofanana sady fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy latsaky ny 23 taona. “Camp des Jeunes” naharitra 3 andro narahina fifaninanana nifanandrinan’ny ekipa 21 manerana ny Nosy no nitranga, nanomboka ny zoma 16 febroary lasa teo. […]
Aza mampidi-kizo, aza midi-kizo
Niaraha-naheno tamin’ny herinandro lasa teo ny fanambaran’ny fitondram-panjakana fa handray anjara amin’ny lalao afrikanina, hotanterahina any Ghana, ny Malagasy. Fihaonana hotanterahina ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Nohamafisina ihany koa fa hanohana ireo atleta ny mpitondra amin’izany fihaonana an-tampony eto Afrika izany. Samy velombolo avokoa ny rehetra […]
Rallye – “African Karting Cup 2024”: Laharana fahenina Razafindratsimba Mboara
Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, teo amin’ny karting na ny “African Karting Cup (AKC 2024)”. Tafiditra ao anatin’ny «Top 10 Africain» i Mboara teo amin’ny sokajy OK-N. Tontosa tao amin’ny Zwartkops Kart Circuit, Afrika Atsimo, ny alakamisy 15 ka hatramin’ny sabotsy 17 febroary lasa […]




