“Manao antso izahay fa aty ifotony, be ny tsy fandriampahalemana ary manomboka mirongatra. Nefa rehefa mba miantso izahay, tsy mandray telefaonina ireo tomponandraikitra momba izany, na tsy misy ny solika, na mbola miandry ny tomponandraikitra avy any Antananarivo hanao sonia momba ny basy.” Io ny fanambaran’ireo olom-boafidy ao amin’ny distrik’i […]
Taratra
IDC-CDI : mitaky ny hanamafisana ny demokrasia
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tany Panama ny fivorian’ny komity mpanatanteraky ny IDC-CDI ho an’ny taona 2022. Nitarika izany ny filoha, i Andrés Pastrana. Nivoitra tamin’izany ny jery todika momba ny toe-draharaha politika sy toekarena maneran-tany. Voaresak’ireo nifandimby nandaha-teny ny fepetra tokony horaisina. “Tokony hamafisina ny demokrasia, indrindra ho an’ny […]
Fiatrehana ny fifidianana: mametraka ny ahiahiny ny Otrikafo
Nitondra ny heviny, manoloana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ny Otrikafo. Maromaro ireo hametrahan’izy ireo ahiahy manoloana izany. “Manao ahoana ny rivotra politika amin’izao mialoha ny fifidianana izao?Raha ny amin’izao aloha, manjaka ny tsy fifampitokisana, indrindra eo amin’ireo rafitra mikarakara fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, […]
Filoha Rajoelina Andry: “Iaraha-manao ireo asa tsy mbola vitantsika…”
Namaranan’ny filoha Rajoelina Andry ny fidinana ifotony tany Manakara ny fitokanana ilay fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka “Brise-lames”, ao Manakarabe. “Anisan’ny imasoan’ny fanjakana ny fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ilain’ ny eny ifotony tahaka izao”, hoy izy. Nanteriny fa efa betsaka ny asa vita. Na izany aza, niaiky ny tenany fa tsy […]
Kitoatoa
Nanao ranolava ny fitokanana fotodrafitrasa nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, tato ho ato. Nisy koa ny fametrahana vato fototra isan-karazany, amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ho avy tsy ho ela, ohatra, ny fiatombohan’ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Iza no tsy ho faly amin’izany? Mihazakazaka izay tsy izy ilay […]