Manjombona tanteraka ny lafiny fitantanan-draharaham-panjakana ao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Vavatenina tato ho ato. Lavo vokatry ny lozam-pifamoivoizana, ny 2 marsa teo, koa Ravelona Mauril, lefitra faharoan’ny ben’ny Tanàna, izay nidoboka am-ponja ao Antanimora ny voalohan’ny volana marsa teo noho ny raharahana kolikoly sy fanaovana hosoka amina volam-panjakana. Ny alakamisy 2 […]
Taratra
Banky iraisam-pirenena: ny sosialy no tena hanampiany an’i Madagasikara
Anisan’ny firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara, raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 81 % ny Malagasy. Vao mainka mahantra i Madagasikara noho ny aretina Covid-19. Nanafoana ny harena efa azo nandritra ny taona maro izany. Nambaran’ny Banky iraisam-pirenena, latsaka anaty fahantrana lalina ny 81 […]
« Iles Vanilles » : mpizahatany 1 tapitrisa amin’ny 2028
Mivondrona ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe « Iles Vanilles » ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Madagasikara, La Réunion, Maurice, Seychelles, Comores, Mayotte). Nanao fivoriambe ampitain-davitra (visioconférence) ny mpikambana, ny herinandro lasa teo, nitatitra ny zava-bita 2022 sy ny hatao ny 2023. Natao ny fifamindram-pahefana izay i Madagasikara indray no hitarika azy […]
Atsimo Andrefana: manan-danja ara-toekarena sy ara-tsosialy ny Base Toliara
Tsy voalohany ny fanairan’ ny kaominina Tsianisiha ny fanjakana handray fanapahan-kevitra hanokafan’ny filoham-pirenena indray ny Base To-liara. Nivory izy ireo ny herinandro lasa teo, niaraka tamin’ ny ben’ny Tanàna, Rakotomavo Doody Jummerman. Ho azy ireo, zava-dehibe ny lanja ara-toekarena entiny, toa ny famoronana asa, ny hetra sy ny tamberim-bidy, ny […]
Toamasina: tsy ampy roa ny milina mamokatra herinaratry ny Enelec
Hiverenana ny fifanarahan’ny Jirama sy ny orinasa Enelec satria tsy araka ny isan’ny milina nifanarahana no tena miasa, nefa andoavam-bola foana. Napetraka koa ny jiro manazava ny arabe sy ny elakela-trano any Toamasina, sy ny fampidiran-jiro ho an’ny sahirana. Nitsidika ny orinasa Enelec, mamokatra herinaratra avy amin’ ny solika fuel […]