Hanoram-baratra ny faritra maro eto Madagasikara indrindra ny amin’ny ilany andrefana, Atsimo ary ny Afovoan-tany ho an’ny faran’ny herinandro. Anio, hanorana malefaka sy handrahona ny tapany maraina ho an’ny faritra Menabe, Amoron’i Mania indrindra ny vao maraina. Hahazo orana tandrifin-drahona kosa ny tolakandro any Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy. Hiitatra aty amin’ny faritanin’Antananarivo ny orana ny takariva sy ny alina. Hahazo orana malefaka kosa ny any Sava sy Analanjirofo. Tsy misy fiovana ny maripana fa hiakatra ny any atsimon’ny Nosy ny tapany hariva ka hahatratra 31°C. Rahampitso, ho maina ny tapany maraina ankoatra ny ilany avaratra atsinanana izay hahazo orana. Hiseho kosa ny oram-baratra ny tapany hariva manerana ny Nosy ankoatra ny any atsimon’ny Nosy.
Araka ny tomban’ny toetry ny andro, maro ny faritra mbola ahitana rotsakorana amin’ny morontsiraka. Noho izany, entanina ny mpampiasa ranomasina ho malina sy ho mailo.
Vonjy




