Nihaona tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Pr Assoumacou Elia Beatrice, ireo vehivavy avara-pianarana siantifika, tamin’ity herinandro ity.
Namaritra ny tetikasa hoentiny hanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny fikambanany izy ireo tamin’izany. Nisy ny fanazavana ny tondrozotra vaovao, hampivelarana ny fikambanana. Tanjona ny mba ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana sy ny fanentanana ny vehivavy ho liana amin’ny siansa.
Hampivondrona ny hery ny vehivavy siantifika. Hitondra fisokafana amin’ny sehatra tsy miankina. Hahafahana manasongadina ny asa fampandrosoana entin’izy ireo eto amin’ny firenena sy ny sehatry ny fampianarana izany.
Mahatsiaro manana adidy amin’ny fitarihana ny mpianatra sy ny tanora ho siantifika izy ireo. Nambaran’ny mpikambana fa tsy ampy izany raha ny eto Madagasikara ka mila ainga vao. Mitady ny fomba hametrahana ny lentan’ny vehivavy siantifika eo amin’ny fitantanan-draharaha na amin’ny sehatra hafa ihany koa ny fikambanana ankehitriny. Izany dia ho fanehoana ny miralenta sy fanasongadina ny fampandrosoana.
Tatiana A




