Taratra

Seces sampana Antananarivo: mangataka ny handoavan’ny fanjakana ireo fitakiana

Ahafahana miroso amin’ny taom-pianarana 2022-2023, mangataka amin’ny fanjakana ny fandovana ny karaman’ny mpampianatra mpikaroka antselika sy ny ora fanampiny ho an’ny enim-bolana mbola trosa ho an’ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, taorian’ny fivoriana ny zoma lasa teo. Tokony hefain’ny mpitondra koa ny tambin-karama momba ny fikarohana […]

Unicef: nankalazana ny andro ho an’ny zon’ny  ankizy

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy ny Fikambanambe iraisam-pirenena miahy ny kilonga na Unicef, teny Andohalo, omaly. Hetsika natao ho fampitan- kafatra hiadivana ny fitovian-jo sy ny fialana amin’ny fanavakavahana misy amin’ireo ankizy eto Madagasikara. Araka ny fanadihadiana nataon’ny MICS, ny  taona 2018, ny efatra isan-jaton’ny ankizy misy […]

Mahazo vahana ny Covid-19: niakatra 264 ny isan’ny tranga amin’ny faritra sivy

264 ny olona marary mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ka ny telo amin’ireo anatin’ny tranga misy fahasarotana, araka ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. 872 ny fitiliana natao ny 12 ka hatramin’ny 18 novambra ka195 ny tranga vaovao voamarina. 22 tamin’ireo olona nifampikasoka mivantana tamin’ny marary. Sivy ny faritra ahitana ny […]

Kaominina Antananarivo Renivohitra: nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kabone

Nankalaizana omaly 19 Novambra 2022 ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny kabone ho antsika teto Antananarivo. Nanao fandokoana faobe ireo kabone miloko mavo sy manga eto amin’ny boriborintany enina ny teo anivon’ny fitaleavana ny rano, fidiovana ary ny fanadiovana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny dioviko  Iarivo. Nosantarina izany […]

« Opération smile tour »: handalo amin’ny distrika efatra

Manakaiky hatrany ny olona sima sy ny vaky lanilany ny  ONG Opération smile. Handeha hitety distrika amin’ny lalam-pirenen fahafito izy ireo.   Nanainga ny faran’ny herinandro teo ny fiarabe ahitana ireo mpitsabo sy tomponandraikitra hitety ny distrika amin’ny lalam-pirenena fahafito hanome tolotra fitsaboana ho an’ny olona sima molotra na vaky lanilany […]