Taratra

Fampandrian-tany: mifanome tanana ny fokonolona sy ny Tafika

Mifanome tanana amin’ny miaramila mpampandry tany ny fokonolona ho an’ny ao amin’ny koaminina roa: Am­ba­toasana Afovoany sy Tam­ponala. Manatanteraka ny hetsika Sivily Miaramila ny Tafika malagasy izay manatona ny vahoaka eny ifotony. Manao ny fisafoana ny tanàna sy ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny izy ireo. Manentana ny fokonolona sy mampahatsiahy ny […]

Toamasina : mpitondra Bajaj mpanary zanaka

Nosamborina omaly ka efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny polisy ilay raim-pianakaviana sy ny vadiny ary ny sakaizan’io raim-pianakaviana io. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fandaozana ilay zazakely tao amin’ny Hopitalibe. Efa fanaon-dRabenantenaina, mpitondra Bajaj, ny manary zanaka sy izay vehivavy sakaizany, raha ny fanazavan’i Mamisoa renin-janak’ilay mpamily Bajaj. Ny talata teo, […]

MFA : nametraka politika mahomby amin’ny alalan’ny serasera

Notontosaina teny amin’ny Mess Fiadanana, afakomaly, ny atrikasa nataon’ireo mpikirakira ny serasera eo anivon’ny Foloalindahy malagasy (MFA). Fametrahana tondrozotra mazava mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana no kendrena hanatsarana sy hampivoarana ity sehatra ity. Tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra no nifampizarana ireo sakana na olana rehetra sedraina amin’ny asan-tserasera, eo am-panatanterahana ny asa […]

INDRAY MIJERY

Miroso amin’ny asa fanapenana ny lalana feno lavadavaka eto Antananarivo indray ny faritra Analamanga taorian’ny fanadiovana ny fako tetsy Anosimpatrana. Niteraka fahasimban’ny lalana ny firotsahan’ny orana matetika ka ilana fanarenana haingana izany mba tsy hiitatra. Nanomboka tamin’ny lalana etsy Ampasika 67 ha izy ireo, omaly ary mitohy hatreny Andavamamba. Anaovan’ny […]