Taratra

Ben’ny Tanàna – Ampanihy : miantso ny filoha Rajoelina ho kandidà

Manao ranolava ny fangatahana. Nanao fanambarana ireo avy amin’ny fikambanan’ ny ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Ampanihy. “Man­ga­taka ny hilatsahan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ity taona ity izahay”, hoy izy ireo, tamin’ity herinandro ity, tao Ampanihy. Nanterin’izy ireo fa manohana tanteraka ny filohan’ny Repo­blika izy ireo. Notanisain’ireto ben’ny […]

Andriamalazaray Andoniaina : “Adidin’ny Ceni ny mitady vola enti-manatanteraka fifidianana”

Hatramin’izao, mbola mahabe resaka ny sasany etsy sy eroa ny amin’ny vola enti-manatanteraka fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Mby aiza? Manazava ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: ”Anisan’ny adidy aman’andraikitry ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni ny mitady vola enti-manatanteraka fifidianana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny […]

Famoriam-bahoka ankalamanjana : manamafy ny fepetra ny minisitry ny Atitany

Hatramin’izao, mahabe adihevitra ny fanambaran’ny minisitry Atitany, i Tokely Justin, tamin’ny 31 marsa, fa tsy azo atao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana. Na malalaka aza ny fanehoan-kevitra, tsy maintsy atao anaty efitrano ny famoriam-bahoaka. Manoloana izany, nisy ny fanambarana iombonan’ny Vondrona eoropeanina, ny masoivon’i Alemaina, i Eta­zonia, i Frantsa, i Japon, i […]

NBJF andiany fahefatra: tanterahina anio ny lanonam-panokafana

Tontosaina anio hariva, eny amin’ny Birdy, Galaxy Andraharo, ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny “Nosy Boraha Jazz Festival” na NBJF. Hisy amin’ireo mpanakanto, handray anjara amin’ny NBJF no hanafana ity lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ity. Efa nisy ny hetsika “Jazz sur RN2”, hetsika tafiditra ao anatin’ny NBJF natao omaly, […]

Rebecca Weingartner : hizara ny fahaizany mandihy

Hotontosaina, anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely, ny fampisehoana dihy tarihin’i Rebecca Weingartner. Ny ma­soivohon’i Suisse eto Mada­ga­sikara miaraka amin’ny Com­pagnie Lovatiana no mi­karakara ny hetsika. Hetsika tafiditra ao anatin’ny “Festival Miaraka” andiany fahatelo. Hahazo vahana manokana ny dihy amin’ity anio ity, amin’ny maha fampisehoana dihy azy. […]