Anisan’ny fahombiazana sahady ho an’ny ity tanora malagasy mpanatontosa sarimihetsika ity ny nahavoafantina azy ho mpandray anjara amin’ny « Nikon Festival ». Mba hahafahany mandrombaka ny amboara, mila tosika sy tohana lehibe izy. Mitombo hatrany ny Malagasy mpanatontosa sarimihetsika, miakatra amin’sehatra iraisam-pirenena. Ranarison Andry indray no mandray anjara amin’ny fifaninanana « Nikon Festival », […]
Taratra
An-drenivohitra sy ny manodidina : vokatry ny toe-tsain’ny mpamily ny mahatonga ny fitohanan’ny fiara
Zary lasa fiainana sy mahazatra ny ankamaroan’ny olona ny fitohan’ny fiara misy eto an-drenivohitra. Maharitra eo anelanelan’ny ora iray hatramin’ny adiny efatra eo izany rehefa tena mihisatra, raha ny zava-misy. Anisan’ny fitaovam-pitaterana eto an-drenivohitra ny fiara fitateram-bahoaka (taksibe), moto, taxi… Olana sedraina, iraisan’ny mponina rehetra eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoizana […]
FANTINA sy FINTINA
Nalefa eny amin’ny HCC ny raharaham-pitsarana ho an’ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, araka ny didy savaravina, omaly. Mihemotra amin’ny 12 marsa izany ny didy. Herintaona sazy mihantona kosa ho an’ireo voasambotra tamin’ny hetsika fotsy. Samy voaheloka 30 volana an-tranomaizina sazy mihantona ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, Pr Ravelonirina Sammy Grégoire sy […]
Fiatrehana ny fifidianana: mitaky tokotany madio ny MMM
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera fa nanana kandidà hatrany ny antoko tarihiny. Niatrika fifidianana tao anatin’ny 10 taona nijoroana. “Tsy maintsy miomana handray anjara koa na ho ela na ho haingana amin’ny maha antoko. Takina hatrany kosa anefa ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara”, hoy izy. […]
Tsy mila mandrimandry
Raha mbola tsy misinda akory ny valanareti-maso, izay efa mielipatrana manerana ny Nosy, mananontanona indray ny aretina mivalan-dra na ny « Choléra ». Tsy mbola misy ny trangan’aretina eto Madagasikara, saingy ny fahamailoana no efa tsy maintsy atao. Efa naka fepetra ny avy amin’ny fiadidiana ny governoran’i Mahajanga. Nanao […]




