Taratra

Fifanatonan’ny Ceni sy ny governemanta: efa hita soritra ny vola hiatrehana ny fifidianana

“Efa misy ny marimaritra iraisana, ary efa mifanakaiky ny fomba fijery raha ny famaritana an’io vola holaniana amin’ny fifidianana io”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, ny amin’ny vola hoenti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny 9 no­vambra sy ny 20 desambra manoloana ny ahiahin’ny mpanao politika sasany. Mbola misy […]

Famahana olana : nihaino ny vahoaka eny ifotony ny loholona Eddie Serge

Mametraka ny maha mpi­ahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy. Nidina ifotony tany Anta­nanambo Ankavanana any Antalaha, hatrany Sara­han­dra­no ny loholona Eddie Serge Fernand. Nitafa mivantana, nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny vahoaka ny tenany. Lavitry ny tanàn-dehibe nefa mamokatra izany toerana izany ary afaka hampandrosoana an’iny faritra iny. Tafiditra tanteraka amin’ny […]

Fanehoan-kevitra : notebahan’ireo depiote i Soja Jean André

Tratry ny angaredon’ireo depiote ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana politika, Liaraike, i Soja Jean André. Mazava ny nambaran’ny depiote isany, Raholdina Naivo sy Voninahitsy Jean Eugène. Samy nitaky ny tokony hametrahan’ Atoa Kaleta fialana, tsy ho isan’ny tandapa intsony ny solombavambahoaka sasantsasany, manoloana ny fanehoan-keviny. “Tena fampiadiana […]

CIRGN – Antananarivo : nandray ny fibaikoana ny kolonely Randrianarimasy Radosoa

Tontosa omaly ny famindram-pibaikona eo amin’ny kaomandin’ny fari-piadidian’ny zandarimaria Antanana­rivo. Namindra ny andraikitra ho an’ny kolonely Randriana­rimasy Radosoa ny kolonely Randrianarijaona Herifidy Jocelyn. Narahina matso na­taon’ny zandary tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina izany. Nanome voninahitra ny fo­toana ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Nanao rodobe teny […]

Miroso tsimoramora !

Raha miteraka resabe ny politika sy ny tontolony eto Madaga­sikara amin’izao fotoana izao. Miroso tsimoramora kosa ny sehatra diplomatika. Manao ranolava ny fihaonan’ireo tompo­nandraikitra malagasy sy ny lehiben’ny masoivoho vahiny eto amintsika. Tsy sakana tsy hivelarana rahateo ny disadisa politika anatiny. Taratry ny fahavononan’ny firenena vahiny, manohana ny vahoaka malagasy […]