Taratra

Kaporaly MaHampy : natao veloma ara-miaramila

Tontosa ny alahady teo, tao amin’ny Bataillon d’infanterie Maintirano, ny lanonana ara-miaramila fanaovam-beloma farany ny miaramila kilasy faharoa, Mahampy Gaspard, maty voatifitry ny dahalo. Ny kaomandin’ny Bataillon d’infanterie Maintirano, ny Kly Raoeliarison Jean Goerès, no nampiakatra ny galonany ho kaporaly, nomena azy manokana taorian’ny fahafatesany. Natolotry ny kaomandin’ny fari-piarovana sy […]

Fiahiahiana kolikoly : hotsaraina, anio, any Londres, i Romy Voos

Hatao anio, any Londres, ny fitsarana ilay raharaha mahavoasaringotra an’Andrianarisoa Romy Voos. Voampanga amin’ny fanaovana kolikoly sy fitakiana vola tamina orinasa anglisy iray izy sy ny namany. Hiakatra fitsarana anio, any Londres, raha tsy misy ny fiovana ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ ny fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romy […]

INDRAY MIJERY

Nitohy tao Faratsiho, faritra Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro lasa teo, ny fanitarana ny fampiofanana arakasa ataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ny famakiana vato sy fandrariana ary fametrahana rarivato no natao tamin’ izany ka vehivavy ny ankamaroan’ireo mpiofana. Taorian’ny tombana nataon’ireo mpiofana amin’ ny sehatrasa mifandray amin’ny internet, […]

Centre Kintana : 5 000 ireo vehivavy nanao fitiliana

Nahatratra 5 000 ireo vehivavy nanao fitiliana maimaimpoana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono. Nandritra ny hetsika “Octobre rose”, teny anivon’ny Centre Kintana Ambatomena izay tantanan’ny Fondation Akbaraly, ny volana oktobra 2023 lasa teo . Hetsika fanao isan-taona hanentanana ireo vehivavy tsy afaka misitraka fitiliana noho ny sarany amin’ ny […]