Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, i Guo Xiaomei ireo miaramila telo lahy mpianatra teny sinoa, omaly, teny amin’ny Institut conficius eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Nohamafisin’ny masoivohon’i Sina fa manamarika ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny masoivoho sinoa izao. Tsy […]
Taratra
RN44: fiara 182 narahi-maso
Hisorohana ny loza mateti-pitranga anatin’ny lalam-pirenena faha-44, nanao hetsika nentina nampianarana ireo mpitondra fiara ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny fari-piadidian’ny polisim-pirenena Alaotra Mangoro, afakomaly. Fiara 182 nandalo tamin’iny lalam-pirenena iny araka izany no nanaovan’izy ireo fisavana sy narahi-maso. Nanome torimarika manokana ireo mpampiasa lalana ireo ny polisy. Voakasik’ity hetsika […]
Lakolosy fanairan’ny fiarahamonim-pirenena: “Aoka tsy hosakanan’ny depiote ireo tokony hotsaraina “
Nanao fanambarana, misintona lakolosy ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena miisa valo, omaly. Anton’izany ny fahitan’izy ireo fa tsy mandeha any amin’ny fahombiazana ny ady amin’ny kolikoly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ny fanapahan-kevitra raisin’ny fanjakana, ahitana ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna, ireo mpomba ny fitondrana (IRD) maro anisa, araka ny fanambarana. “Takinay […]
Andrimpanjakana mpanao lalàna: tsy mbola nivory mihitsy ny Antenimierandoholona
Ho feno iray volana amin’ity herinandro ity ny nanombohan’ny fotoam-pivorian’ny parlemanta roa tonta. Mbola tsy nanomboka ny asany ny ao amin’ny Antenimierandoholona ary tsy mbola nivory na indray mandeha aza hatramin’izao. Tsy mbola nisy na andinin-dalàna iray ka nodihin’ireo loholona tetsy Anosikely. Mbola mamita iraka any ivelany, efa andro maromaro, […]
Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Tsy maintsy avahana ny tena “lanceur d’alerte”sy ny mpikarama an’ady”
Miseholany etsy sy eroa ny karazana fanairana amin’ny trangan-javatra eny anivon’ny fiarahamonina. Maneho ny fijeriny ny depiote voafidy tany Miarinarivo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondrasoa Fetra: “Tsy maintsy avahana ny tena “lanceur d’alerte” sy ny mpikarama an’ady”. Fanehoan-kevitra… “Izahay ao amin’ny Vaomieran’ny serasera, eto anivon’ny Antenimierampirenena, mifampiresaka amin’ireo sehatra iraisam-pirenena, izay […]