Taratra

Mirimorimo izaitsizy !

  Raha nampikaikaika ny maro ny fitarazohan’ny volana janoary, poa toy izay dia hanjavona ity volana itsahantsika ity. Tsy hita izay zava-bita! Vao mihodina kely, efa herinandro vaovao. Volana anisan’ny fohy indrindra rahateo anatin’ny taona, na taona “bissextile” aza izany amin’ilay 29 andro. Mirimorimo ny fotoana, tsy azo tanana. Izy […]

Antoko Fiombonana : “Misy kajikajy politika ny tsy famoahana ny tetiandrom-pifidianana”

Tsy mbola mivoaka ny tetiandrom-pifidianana noho ny lamina isan-karazany. Milaza ny antoko politika fiombonana, fa misy kajikajy politika ao ambadik’izany. «Izay hatrany ny kajikajy politikan’ny fitondrana teo aloha: miandry ora farany vao mamoaka datim-pifidianana mba tsy hahazoan’ny antoko sasany miomana amin’izay fifidianana izay». Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko […]

TSELATRA

Mpangalatra telefaonina voasambotra tao amin’ny tranom-barotra iray etsy Behoririka, afakomaly. Efa mpanao io asa ratsy io ity lehilahy ity. Tsikaritry ny mpivarotra ny fihetsiny saingy mbola nikiry naka ny finday amidy ihany io olon-dratsy io. Noraisim-potsiny izy. Mpamaky trano iray norasain’ny fokonolona antsy ny tendany tao amin’ny fokontany Antsirabe I, […]

Fanolanana : roa lahy voasambotra

Lahiantitra 62 taona voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Ankiririky Avaratra, distrikan’Antsohihy, afakomaly. Nanolana zazavavy vao 15 taona monja io tsivalahara io. Nentiny tao an-trano ilay ankizivavy ka nokasainy hanamparana ny filan-dratsiny. Niverina tampoka anefa ramatoa vadin’io lehilahy io ka tratra ny fikasan-dratsiny. Nosamborin’ny fokonolona ilay lahiantitra ary natolotra ny […]