Taratra

Fiofanan’ny USAD: dia an-tongotra mampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy

Nanatanteraka dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy ho fanombohan’ny fiofanan’ny USAD (Vondron-kery manokana misahana ny ady amin’ny asan-dahalo) andiany faha-28 ny avy ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), ny alatsinainy 14 novambra 2022 teo. Ankoatra ireo mandrafitra ny USAD, nandray anjara tamin’izany koa ny manamboninahitra ambony, manamboninahitra sy manamboninahitra […]

Atletisma: nodimandry i Henri Roger

Misaona indray ny tontolon’ny fanatanjahantena, indrindra fa ny taranja atletisma. Nodimandry ny alatsinainy lasa teo i Henri Roger, filohan’ny Federasiona malagasy (FMA), teo aloha. Ny aretin’ny homamiadana, izay efa nitaiza azy nandritra ny fotoana maro no nitarika ny fahafatesany. Raha tsiahivina, filohan’ny komity nasionalin’ny fandrindrana teo anivon’ny atletisma Itompokolahy, ny […]

Karate-Rahantason Mamy: « Andrasana indray ny tena hevitry ny WKF »

Nanatanteraka ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny Federasionan’ny karate malagasy, tarihin’ny Sensei Ratefinanahary Emile. Mpikatroka manodidina ny 700 manerana ny Nosy no tonga niatrika ny fifaninanana. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona fa fahombiazana raha io isan’ny mpikatroka io ary hiroso amin’ny fandaharanasa manaraka ny […]