Matetika mijanona eo am-bava fotsiny ihany ny hoe : « aingam-panahy ». Ny zavakanto sy ny asa famoronana no tena ahenoana azy io. Hatreo ihany fa ilay fototra saika vitsy dia vitsy ny mahafantatra azy… Nanampy trotraka ihany koa ny fisian’ireo fitaovana raitra hoenti-manatanteraka ny kanto tian-katao. Ilay « fanahy maha olona », io no […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Loharanon-karena mifototra amin’ny olona, fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena ary ny fahaiza-mitantana. Ireo no andry telon’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Tanjona napetraka ao amin’ny tetibolam-panjakana 2024 ny fampiakarana ny harinkarena faobe ho 4,5%. Hotohizana daholo ny tetikasa toy ny fanamboarana ny “autoroute”, ny “Flyover”, ny teleferika, ny Tana-masoandro, […]
mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny minisitera: hiara-hientana amin’ny fitsirihana vidin’entana
Mitohy ary hentitra ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena. Ho hamafisina ny fidinana ifotony manerana ny tsena ka handraisana fepetra ireo minia mandika lalàna. Noho izany, hiara-hientana amin’ny fanabeazana ny mpanjifa sy amin’ny fitsirihana eny an-tsena ny fikambanana mpiaro ny zon’ny […]
Fihariana : tanora 110 niofana fiompiana trondro
Tombony ho an’ny fampiroboroboana ny fihariana ny fahazoana fiofanana hanatsarana ny seha-pamokarana. Tanora sy mpiompy trondro 110 mianadahy nisitraka fiofanana tetsy Ampandrianomby, omaly. Niompana tanteraka tamin’ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro ny hetsika. Nampahafantarana an’ireo mpiofana tamin’izany ny karazana fiompiana trondro misy sy mety eto Madagasikara hatramin’ny fikarakarana rehetra […]
Fandorana vary tany Toamasina : « Tsy manaraka ny fepetra », hoy ny fampanoavana
Nisy vary lo hafa indray, 20 kitapo, tratra tany Mangarano Toamasina, ny faran’ny herinandro teo. Tsy nanaraka ny fepetra ny fandorana ireo vary ireo, raha ny fanazavan’ny tonian’ny fampanoavana. Nanamarina ny zandarimaria ao Toamasina, fa nisy vary simba sy lo, tratra tao amin’ny trano fitahirizana an’ny teratany indo-pakistaney eny Mangarano, […]




