Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana afakomaly maraina tao Antonibe Analalava ilay teratany vahiny tafavoaka ny fonja tao Mampikony. Gadra nandositra izy. Misazy noho ny resaka vono olona. Ny 12 febroary teo tafavoaka ny fonja ny tenany. Tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany tao. Ny ampitson’io, nivoaka avy hatrany ny filazana fikarohana […]
Taratra
Fanendahana mpianatra : roa lahy tratra niaraka tamin’ny kitapo feno entana
Saron’ny polisy tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly, ireo tovolahy nangalatra entana mpianatra. Tsy miasa izy roa lahy. Tsy ampy taona ny iray. Naharay antso avy tamin’ny fibaikoana ny hery vonjy taitran’ny polisy ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahefatra. Voalaza tamin’izay ireo entana mpianatra very. Nisokatra tamin’izay ny famotorana. Nandefa polisy […]
Olona roa namoy ny ainy : mirongatra ny lozam-pifamoivoizana ao Toamasina
Tao anatin’ny 48 ora, olona roa namoy ny ainy vokatry ny lozam-piarakodia tao Toamasina. Mila fitandremana ! Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray, afakomaly hariva. Nitondra olona roa, avy nisotrosotra teny amoron-dranomasina izy ity. Voalaza ho niteraka ny loza ny hamamoana. Tsy voafehin’ilay raim-pianakaviana nitondra ny fiara ny familina. Vokany, […]
Mandalo an-tanindrazana: manomana ny faha-35 taona nikosehana kapila i DJ Dina
Anisan’ireo mpikosoka kapila zokiny i DJ Dina. Maro ireo mahatsiaro ny fahatanorany tany amin’ny manodidina ny taona 2000 tany, raha maheno ny anarany. Monina any andafy ity mpikosoka kapila malaza ity, saingy mandalo matetika eto Madagasikara ihany. Eto indrindra izy izao, manomboka ny fankalazana ny faha-35 taona nikosehany kapila, amin’io […]
Compagnie Miangaly: miaina sy fitaratry ny fiarahamonina ny teatra
“Miaina ary fitaratry ny fiarahamonina ny anjara asan’ny teatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Compagnie Miangaly, Razafiarison Fela, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Manana ny anjara asany ny teatra ary tokony homena sehatra sy anjara fitenenana. Anisan’ny mampivelatra ny kolontsaina sy ny firenena ary ny maha olom-pirenena ny […]