Taratra

Sahasinaka: lamasinina nivadika, olona telo namoy ny ainy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana an-dalamby indray tao amin’ny PK 110, Saha­si­naka Fenomby, distrikan’i Manakara, omaly maraina tamin’ny 10 ora sy 30 mn. Zotra an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara (FCE) no nivadika, nivoaka ny lalamby teny am-pandehanana. Vokany, olona telo indray namoy ny ainy, ny iray maty voatsindry tao ambany lamasinina, iray […]

Vao nivoaka ny fonja: vehivavy tratra teo am-pivarotana rongony

Nidoboka am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’ Antanimora, afakomaly, ireo vehivavy roa voarohirohy ho tompon’antoka tamina raharaha trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ ny zava-mahadomelina Anosy, teny Itaosy sy Ambo­hi­tri­manjaka, izy roa vavy, ny 29 janoary 2024 lasa teo. Fivarotana rongony sy fahatrarana fitaovana fihinanana zava-mahadomelina […]

Nikendry teratany vahiny : mpaka an-keriny telo maty voatifitra

Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana, jiolahy telo nikasa haka an-keriny teratany vahiny lavo teny Ambohibe, kaominina Ankadikely-Ilafy, afakomaly alina. Nanohitra mpitandro filaminana hisambotra azy, namoy ny ainy avokoa ireo jiolahy rain-dahiny telo tratra teny amin’ny fokontany Ambohibe, kaominina Anka­dikely Ilafy, afakomaly alina. “Nahare olona niteny: Mijanonà intelo izahay tato an-trano tamin’ny 12 […]

IFI : “Tsy fotoan’ny fisaratsarahana izao”

“Antso ataoko ho an’ny mpanohana ny filoha Rajoelina: tsy fotoan’ny fisaratsarahana izao, fa fampivondrona hery mba hahatafita an’i Madagasikara na amin’ny lafiny sosialy na ny ady amin’ny kolikoly… Ireo andry telo amin’ny fampandrosoana izany. Tsy misy afa-tsy ny fiombonana ihany no mahatafita”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Isika fikambanana […]

Depiote Johasy Eléonore: “Mitohy ny fanitsakitsahana ny lalàna”

“Lalàna fehizoro no entina hodinihina amin’izao. Raha ny lalàna, 15 andro mialoha no hametrahana azy vao tokony hodinihina. Nefa tonga amin’ny mahazatra izay amin’ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana indray isika”. Izay ny fijerin’ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny tsy miankina tany Vaingaindrano, i Johasy Eléonore, momba ny fandinihan-dalàna amin’izao fivoriana tsy ara-potoan’ny […]