Nodorana avokoa ireo katsaka simba milanja 23 400 taonina ao amin’ny distrikan’i Tsihombe. Nanao fangatahana ny handorana ireto vokatra ireto teny anivon’ny fitantanam-paritra (DRIC) Androy, ny Catholique relief service, (CRS), tompon’ireo entana. Voamarina ihany koa fa tsy azo hohanina intsony ny vokatra. Misokatra ny antso ho an’ny tetikasa ho an’ ireo […]
Taratra
Madagasikara-Sina : hotohizana ny fiaraha-miasa
Nihaona teny Anosy, ny talata teo, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin, sy ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’ny repoblika Sina eto Madagasikara, Zhang Wei. Voaresaka nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena sinoa sy ny minisitera izay hifantoka amina teboka efatra. Hotohizana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa […]
Tombontsoan’ny besinimaro
Andao mba hiresaka asa fanaovan-gazety anio! Tsy misy antony manokana loatra fa ny andraikiny manoloana ny zava-miseho no handeha ho asian-teny. Tanjona ny mba hialana amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny. Na eo amin’ny sehatry ny asa izany, na eny amin’ny fianana andavanandron’ny mponina. Resabe ireny […]
Raharaha andramena: fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014
Nambaran’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana (DGD), Lainkana Zafivanona, fa fanondranana antsokosoko tamin’ny taona 2014 ilay raharaha andramena tany Tanzania. Filoha miara-mitantana ny fifanarahana hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pirenena ihany koa ny tenany. Nisy andramena avy aty Madagasikara tratra tany amin’ny seranan-tsambon’i Mombassa (port d’éclatement) any Kenya, natao tanaty kaontenera miisa 34 […]
TSELATRA
Naiditra am-ponja eny Tsiafahy, omaly, ilay lehilahy nanolana ankizivavy 14 taona, teny Sabotsy Namehana. Mpifanerasera akaiky tamin’io lehilahy io ilay lasibatra. Nitoriany fitiavana io ankizivavy io saingy nanda hatrany ka nanamparany ny filan-dratsiny. Renim-pianakaviana iray hita faty tao anaty kirihitra, tao Fandrava, fokontany Mananjary, kaominin’Ibity, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny sabotsy teo. […]




