Nanamafy ny fahaiza-manao, ho fiomanana sahady ny fidinana eny an-kianja ireo mpiofana ao amin’ny sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitra ao Antsirabe (ENSOA) , nanomboka ny 22 janoary, nifarana ny 26 janoary teo. Nifototra manokana tamin’ny fifehezana ny taranja haiady ireo mpiofana. Nizara ny traikefa ho an’ireo mpiofana “BMP1” sy ny “CM1” ny […]
Taratra
Madagasikara – Etazonia : matotra hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika
Nihaona tamin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, omaly, ny ambasadaoro amerikanina. Nitarika ny delegasiona, ramatoa Claire Pierangelo. Fiarahabana sy firariantsoa noho ny fisahanana andraikitra vaovao amin’ny maha minisitra azy no tena vontoatin’ny fihaonana. Nambarany fa mpiara-miombon’antoka ara-miaramila hatrizay ny amerikanina sady manana tompon’andraikitry ny fiarovana […]
INDRAY MIJERY
Natao ny alatsinainy teo ny famindram-pitantanana teo amin’ny talen’ny fampianarana ambony mpisolo toerana, Pr Rakotozafy Rivo, sy ny tale vaovao, Dr Ramahazosoa Irrish Parker. Fanambin’ny tale vaovao ny hiantoka ny filaminan’ny fanadinana bakalorea, ny fandaminana ny fisoratana anarana. Manome toky ny mpianatra sy ireo ray aman-dreny ny tenany. Nitsidika ny […]
Ambilobe : amboarina amin’ny akora misy ny tranon-tantely
Nanomboka ny volana septambra 2023, nisitraka tantsoroka teknika ireo mpiompy tantely any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy sy Beramanja, distrikan’Ambilobe. Miara-dalana amin’izy ireo amin’izany ny mpiompy tantely efa nahazo traikefa anivon’ny kaoperativa FAMA. Nohamafisina ny fomba fanamboarana tranon-tantely, amin’ny alalan’ny akora fototra hita any an-toerana, ny fomba fisarihana andian-tantely, ny fomba fiotazana […]
Toetr’andro : manambana ny fiforonan’ny rivodoza
Nilaza ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa hisy fiforonana rivodoza any amin’ny sisiny atsinanan’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity herinandro ity. Heverina tsy hahakasika an’i Madagasika anefa izany raha ny tombana. Tombanana ny hisian’ny fandalovana rindrin-drahona any amin’ny ilany atsimo atsinanana manomboka anio. Hitondra rotsakorana betsaka any […]




