Tsy mbola mifarana eo. Hiditra amin’ny dingana manaraka amin’ny famoriana ireo mpiantsehatra politika rehetra indray ny eo anivon’ny Ceni, ato ho ato, araka ny nambaran’ny tale kabinetran’ ity rafitra mikarakara ny fifidianana ity, Andriamifidy Jean Louis, omaly. Nambarany fa iarahana mijery amin’izany ny fomba hanatanterahana ireo tolokevitra voaray tamin’ilay fihaonambe, […]
Taratra
Famoriam-bahoaka ankalamanjana : mitaky ny hampitsaharana ny sakantsakana ny Tim
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny RMDM sy ny Tim ary ny avy amin’ny antoko Kintana, manoloana ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Atitany. Notsiahivin’izy ireo fa nomena baiko ireo solontenam-panjakana tsy hanome alalana intsony ny famoriam-bahoaka eo amin’ny politika ankalamanjana. “Manainga ny governemanta izahay handray ny fepetra rehetra hampitsaharana ny famerana […]
Ben’ny Tanàna – Ampanihy : miantso ny filoha Rajoelina ho kandidà
Manao ranolava ny fangatahana. Nanao fanambarana ireo avy amin’ny fikambanan’ ny ben’ny Tanàna any amin’ny distrikan’Ampanihy. “Mangataka ny hilatsahan’ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fifidianana filoham-pirenena hatao amin’ity taona ity izahay”, hoy izy ireo, tamin’ity herinandro ity, tao Ampanihy. Nanterin’izy ireo fa manohana tanteraka ny filohan’ny Repoblika izy ireo. Notanisain’ireto ben’ny […]
Andriamalazaray Andoniaina : “Adidin’ny Ceni ny mitady vola enti-manatanteraka fifidianana”
Hatramin’izao, mbola mahabe resaka ny sasany etsy sy eroa ny amin’ny vola enti-manatanteraka fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Mby aiza? Manazava ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: ”Anisan’ny adidy aman’andraikitry ny tomponandraikitra eo anivon’ny Ceni ny mitady vola enti-manatanteraka fifidianana.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny […]
Famoriam-bahoka ankalamanjana : manamafy ny fepetra ny minisitry ny Atitany
Hatramin’izao, mahabe adihevitra ny fanambaran’ny minisitry Atitany, i Tokely Justin, tamin’ny 31 marsa, fa tsy azo atao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana. Na malalaka aza ny fanehoan-kevitra, tsy maintsy atao anaty efitrano ny famoriam-bahoaka. Manoloana izany, nisy ny fanambarana iombonan’ny Vondrona eoropeanina, ny masoivon’i Alemaina, i Etazonia, i Frantsa, i Japon, i […]