Taratra

Ady amin’ny kolikoly: nihemotra ny laharan’i Madagasikara

Namoaka ny tatitra (IPC) fanaony isan-taona ny eo anivon’ny Transparency Interna­tional – Initiative Madagascar (TI-IM), omaly, tetsy Anosy. Mbola mahazo vahana ny kolikoly. Nahazo isa 25/100 i Madagasikara amin’ny maridrefy (IPC). Laharana faha-145 amin’ireo firenena 180, ho an’ny taona 2023. Isa 26/100 kosa izany teo alohan’izany, ny taona 2022. “Tsy […]

Toe-tsaina miiba

  Nahoraka omaly, teto an-dRenivohitra sy tamin’ny tambajotran-tserasera ny fako misavovona eny Anosipatrana. Tapaka tanteraka ny lalana, ary manomboka marary ny mponina. Tafahoatra ny havoretran’ny tanàna, izay mainka mandetika ny mponina any anaty fahantrana mangitsokitsoka. Zava-doza, 80% amin’ny mponina, izay manatona toeram-pitsaboana dia mararin’ny loto avokoa. Asa! Miova sata miova […]

Fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote: mbola miketrika tanteraka ny tetiandro ny Ceni

Tsy mbola nivoaham-pofona. Ao anatin’ny fandinihana ny tetiandrom-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andria­ma­rotafika, omaly, teny Ala­robia, fa handroso ny volavolana tetiandro izy ireo aorian’ny fikatonan’ny lisi-pifidianana ny volana mey izao. “Mazava ny voalazan’ny lalàna fa aorian’ny famaranana ny lisitra no […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray nitondra moto naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tetsy Andava­mam­ba, omaly tolakandro. Nandeha mafy kinanjo nifatratra tamina lavaka teo afovoan’ny arabe izy ka nitarika ny loza. Lehilahy nitsoaka ny fonja tao Maroantsetra, voasambotry ny mpitandro filaminana tao Masoala, kaominina Ampanavoana, distrikan’Antalaha, ny alahady 28 janoary teo. Nifampitadiavana io lehilahy […]

Noho ny loza tato ho ato…: nampianatra ireo mpitondra moto indray ny polisy

Nirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Lohalaharana amin’izany ny moto. Manoloa­na izany, nanatanteraka fanentanana manokana tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa teny amin’ny « rond point » Ankasi­na, ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana na BAC (Brigade des accidents de la circulation) eny Tsaralalana. Nandray ny andraikiny manokana, araka izany, ity sampana iray […]