Fifidianana ben’ny Tanàna sy depiote: mbola miketrika tanteraka ny tetiandro ny Ceni

Tsy mbola nivoaham-pofona. Ao anatin’ny fandinihana ny tetiandrom-pifidianana ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fotoana izao.

Nambaran’ny mpampakateny eo anivon’ny Ceni, i Soava Andria­ma­rotafika, omaly, teny Ala­robia, fa handroso ny volavolana tetiandro izy ireo aorian’ny fikatonan’ny lisi-pifidianana ny volana mey izao. “Mazava ny voalazan’ny lalàna fa aorian’ny famaranana ny lisitra no hanatanterahina ny fifidianana. Nomen’ny lalàna hikarakara sy hanomana fifidianana izahay ka mbola tena anatin’ny fandinihana ny tetiandro izao. Nomena fahefana hamaritra ny tetiandro koa ny Ceni ka mbola hofakafakaina iza­ny”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy mbola misy resaka fampiarahana fifidianana roa : ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina sy ny solombavambahoaka izany aloha hatramin’izao. Mbola manadihady ny lafiny tsara sy ny ratsy amin’izany ny eny Alarobia, amin’izao fotoana izao, araka ny nambarany. Niaiky anefa ny tenany fa tsy voalohany eo amin’ny tantaran’ny fifidianana eto amintsika ny fampiarahana fifidianana roa samihafa. “Azo hatsaraina ny traikefa tamin’ny teo aloha raha mirona amin’izany ny fanapahan-kevitra. Tsy mbola afaka miteny mialoha ny momba izany anefa izahay”, hoy ihany izy. Na izany aza, azo atao koa ny manasaraka ireo fifidianana roa ireo. Samy mbola dinihina avokoa izany, araka ny nambarany hatrany.
Notsiahiviny fa tsy tratra ny faran’ny taona teo ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina noho ny lafiny lalàna sy ny teknika. Eo ny maha anaty fotoam-pahavaratra antsika amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy nifantohana koa anefa ny fifidianana filoham-pirenena, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: