Anisan’ireo mpikosoka kapila zokiny i DJ Dina. Maro ireo mahatsiaro ny fahatanorany tany amin’ny manodidina ny taona 2000 tany, raha maheno ny anarany. Monina any andafy ity mpikosoka kapila malaza ity, saingy mandalo matetika eto Madagasikara ihany. Eto indrindra izy izao, manomboka ny fankalazana ny faha-35 taona nikosehany kapila, amin’io […]
Taratra
Compagnie Miangaly: miaina sy fitaratry ny fiarahamonina ny teatra
“Miaina ary fitaratry ny fiarahamonina ny anjara asan’ny teatra”, hoy ny filohan’ny fikambanana Compagnie Miangaly, Razafiarison Fela, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Manana ny anjara asany ny teatra ary tokony homena sehatra sy anjara fitenenana. Anisan’ny mampivelatra ny kolontsaina sy ny firenena ary ny maha olom-pirenena ny […]
« 7ème Dimanche classique » : hanafana ny AFT i Rindra R.
Amin’ny alalan’ny rantsantanana no hivoahan’ny aingampanahy ! Hanaporofo io fomba fitenin’ny mpitendry zavamaneno io i Rindra Ramarosandratana. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «7 ème Dimanche classique» karakarain’ny Madagascar Mozarteum, hitendry ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany izy. Fampisehoana hotanterahina etsy amin’ny AFT Andavamamba, ny alahady 5 marsa izao, manomboka amin’ny 4 […]
Teatra Vakivakim-piainana: hiverina ny fampisehoana tantara an-dampihazo
Tontosaina anio eny amin’ ny Ivokolo Analakely ny “Teatra Vakivakim-piainana”. Fampisehoana an-dampihazo notakarina tamin’ny tantara foronina “Vakivakim-piainana”, nosoratan’Iharilanto Patrick Andriamangatiana na IPA. Fiaraha-miasan’ny Office national des arts et de la culture (OFNAC) sy ny fikambanana AKO no nahatanterahana izao hetsika izao. Efa vonona hatramin’ny ela ny mpikarakara sy ny mpandray […]
Mpanakanto sy ny lalana nodiaviny: voasokajy ho anisan’ny kintan’ny kanto malagasy i Gabhy
Niavaka teo amin’ny feony sy ny fahaizany mihira i Gabhy. Niaiky izany avokoa na ny teto Madagasikara na ny mpanakanto tany ivelany tamin’izany andro izany. Rariny loatra raha misy ny hetsika ho fahatsiarovana sy fampahafantarana ity kintan’ny kanto malagasy ity. Mpahay kanto nanana ny maha izy azy fony fahavelony i […]